airtel

Covid 19

12-juil-2021

Covid 19

Mbola eto ny Coronavirus Henjanina ny fanajana ireo fepetra

Sample post image

Hita fa mihena ny tranga vaovao, mihena eo amin’ny 26% eo, ka raha 316 teo aloha dia lasa 233 tao anatin’ny tapa-bolana farany, hoy ny Praiminisitra Ntsay Chrsitian omaly alahady 11 jolay.

12-juil-2021

Tsapa kosa fa mbola tsy midina ny isan’ny lavo, ka raha 22 ny lavo tapa-bolana lasa dia mbola 22 ihany koa tao anatin’ny 15 andro farany. 931 ny olona lavo hatrizay. Nisy fitomboana 28% kosa ny tranga misy fahasarotana, ka raha 38 tamin’ny 26 jona, dia 49 izany ny 10 jolay. Lohalaharana amin’ny trannga i Antananarivo Renivohitra, Antananarivo Atsimondrano, Antananarivo Avaradrano, Ambohidratrimo, Fianarantsoa I, Antsirabe 1. Tamin’ny 15 andro lasa dia efa nidina Antsirabe I, saingy lasa niakatra, raha toa ka nihena dia nihena kosa ny tany Ambatondrazaka. Mifandanja ny tranga vaovao sy ny olona sitrana.
HAMAFISINA NY FEPETRA
Nalaina ny hevitry ny lehiben’ny Andrim-panjakana miisa 3, ary rehefa nodinihina nentina teo amin’ny filankevitry ny Minisitra, izay ny Filoha no manapa-kevitra, dia tapaka fa mbola ao anatin’ny hamehana ara-pahasalamana isika mandritra ny 15 andro. Tsy maintsy hajaina ny fepetra ara-pahasalamana sy fepetra sakana. Mananontanina ny “variant Delta” ka mila mitandrina. Tsy maintsy manao arovava-orona ny rehetra. Hohenjanina manomboka amin’io herinandro io ny fanajana izany. Mbola misokatra ny CTC-19 eny amin’ny Village Voara ka afaka manantona eny avy hatrany izay manana olana ara-pahasalamana. Mbola voarara ny famorian’olona mihoatra ny 400 ho ana distrika 6: Antananarivo Renivohitra, Avaradrano, Atsimondrano, Ambohidratrimo, Fianarantsoa I, Fianarantsoa II. Mbola voarara ny fitondrana razana matin’ny covid-19 mivoaka ny faritra, voafetra ny isan’ny olona mandevina, tsy mbola azo atao ny famadihan-drazana. Mbola tsy misokatra ny toeram-pandihizana sy “bar”. Mbola mihatra ny “couvre-feu” amin’ny 12ora alina-4ora maraina. Azo atao ny mikarakara lanonana an-kalamanjana ho an’ny distrika ivelan’ireo. Tsy maintsy manao arovava-orona. Mbola tsy misokatra ny fitaterana olona avy any ivelany afatsy ireo voafaritry ny filankevitry ny minisitra. Mitohy ny sidin’ny Tsaradia, izay misy fepetra fanaovana fitiliana ora telo mialoha. Tiliana ihany koa izay tonga eny Ivato. Afaka mandray fepetra manokana iaraha-midinika amin’ny Minisiteran’ny atitany.

 

Toky R
 

Dans la même rubrique