airtel

Covid 19

07-avril-2021

Covid 19

Mektoub El Omar Camille “Hafaingano ny vaksiny hiarovana ny Malagasy”

Sample post image

Naneho ny heviny ny raiamandreny Mektoub El Omar Camille taorian’ny kabarin’ny filohan’ny Repoblika ny alin’ny sabotsy 3 aprily 2021 teo.

07-avril-2021

 

 Nambarany fa “plat” iny kabary iny saingy sambany tamin'iny no mba naka ny toerana filoham-pirenena i Andry Rajoelina nialany ny maha TGV sy MAPAR azy, hoy izy, raha toa ka ny fitsikerana ny mpanohitra no votoatin-kabariny taloha. Amin’i Mektoub El Omar Camille dia tsy antony fotoana no nanery ny filoha hiteny fa tsy maintsy niteny izy satria nilaza fa naka ny hevitry ny Akademia nasionaly momba ny fitsaboana, mikasika ny vaksiny. Nahitsy ny tenin’ity mpanao politika mpikambana ao amin’ny Rodoben’ny Mpanohitra ho an’ny Demokrasia eto Madagasikara na RMDM fa tsy nahomby “échec” ny fitantanan’ny fanjana ny ady amin’ny Covid-19 ary manjaka ny tsy fifampitokisana satria na ny mpitondra aza tsy resy lahatra amin’ny zavatra ataony sy teneniny. CVO anio, CVO+ rahampitso. Ny tsikera nahazo ny Institut Pasteur de Madagascar nataon’ny fanjakana tamin’ny famoahany antontan’isa momba ny covid-19 tamin’ny taon-dasa dia namboly tao an-tsain’ny olona fa amboamboarina ny antontanisa miasika ny fivoaran’ny covid19 ambara isan’andro, fa tsy maneho ny tena zava-misy marina. Vahaolana, hoy i Mektoub El Omar Camille dia tsy fotoana ifanilihana izao ary hafaingano ny fahatongavan’ny vaksiny eto hiarovan’ny olona tena amin’ny covid-19. Mozilimana moa ny tenany, ary nambarany fa tena mila an’io vaksiny satria ho avy ny ramadany hoy izy, ary tsy ho afaka ho any La Mecque izay mpino silamo tsy vita vaksiny covid ary manana karine manamarina izany.

Jean D.

Dans la même rubrique