airtel

Covid 19

22-nov-2021

Covid 19

Midangana indray ny trangana covid-19 400 no voa, 3 no maty tao anatin’ny 10 andro

Sample post image

Mbola eo ny valanaretina coronavirus, ary mbola tsy afa-bela tanteraka isika. Niverina ny famoahana antontan’isa ofisialy,

22-nov-2021

 izay maneho fa niakatra sy nitombo ny trangana coronavirus. Nahatratra 400 ny tranga vaovao, ary miisa 3 ny olona namoy ny ainy tao anatin’ny 10 andro 10-19 novambra, araka ny tatitra narahina fanentanana nataon’ny Minisitry ny fahasalamam-bahoaka Pr Zely Arivelo Andriamantany ny sabotsy 20 novambra lasa teo. Ho an’ny 19 novambra teo manokana, nahatratra 45 ny tranga vaovao. Tany amin’ny faritra Vakinankaratra no nahitana betsaka indritra, izay nahatratra 33 be izao, ka tamin’ny alalan’ny “contact tracing” na fikarohana ireo olona mety nitakosona tamina olona voa no nahitana izany, nahitana tranga miisa 6 ihany koa tany Matsiatra Ambony ka ny 3 tranga vaovao, ary ny 3 “contact tracing”, nahitana tranga vaovao iray avy kosa teto Analamanga sy tany Anôsy. Raha haravona, faritra miisa 5 amin’izao fotoana izao no mbola ahitana valanaretina coronavirus. Raha ny tranga teto Madagasikara hatramin’izay, miisa 44 072 ny tranga hatramin’izay teto Madagasikara, ka ny 43 383 tamin’ireo hita tamin’ny alalan’ny fitiliana PCR, ary ny 689 kosa tamin’ny alalan’ny alalan’ny “scanner” nandritra ny “2ème vague”. Fitiliana miisa 277 847 no nahitana ireo tranga 44 072 ireo, izay manome taham-pahavoazana ankapobeny 15,86%. Miisa 967 kosa no efa lavo hatrizay (2,19%), raha toa ka 42 802 ny sitrana (97,12%). Nanadino ny fepetra sakana sy fiarovana ny Malagasy tao ho ao, izay mitarika amin’ny fiakaran’ny tranga, hoy ny fanazavana. Hatreto ihany koa, isan’ny mbola lesoka betsaka ho antsika eto Madagasikara ny tsy faharisiana manao vaksiny, kanefa mbola maimaimpoana hatreto, raha efa misy firenena mampandoa vola ny olom-pireneny amin’izao fotoana izao. “Andao hisika hiaro tena manoloana ny coronavirus… Raisiko ny andraikitra, raisinao ny andraikitra, miaro tena isika, miaro ny manodidina, miaro ireo olona marefo, miaro ny fiarahamonina,… Manentana antsika rehetra hirotsaka bebe kokoa amin’izay fisorohana izay”, hoy ny Minisitry ny fahasalamana”, nanao fanentanana.
Toky R
 

Dans la même rubrique