airtel

Covid 19

22-mars-2021

Covid 19

Miditra 2ème vague i Madagasikara Efa eto ilay Coronavirus mahery vaika

Sample post image

Misy ilay “mutation” na “variant” vaovao, toy any Afrika Atsimo izay tena haingam-pifindra be sy mahery vaika,

22-mars-2021

 

 

 ary efa tafiditra eto Madagasikara, hoy ny Filoha Andry Rajoelina ny sabotsy teo. 2483 ny tranga vaovao, 45 ny maty, 1409 ny sitrana teto Madagasikara ny 18 febroary-20 martsa. Tsisy atahorana loatra fa efa betsaka ihany, kanefa nambara ihany koa fa miditra amin’ny onja faharoa na “2ème vague” amin’ny valanaretina coronavirus isika. Faritra 5 no tena matanjaka ny valanaretina ary hita fa mahery vaika ny fifindrany: Analamanga, Diana, Nosy Be, Atsinanana, Boeny. Afaka hisintonana lesona y fisian’ireo lavo nahitana steward an’ny Air Madagascar rehefa avy niasa nampitohy an’i Nosy Be sy Antananarivo, nisy mpanao gazety, nisy mpandraharaha avy any Nosy Be, Mpitsara miisa 3, mpitsabo, zandary, mpampianatra mpikaroka tao Mahajanga, Pasitera tao Mahajanga. Nandinika niaraka tamin’ny Minisiteran’ny fahasalamana hoe nahoana no lasa haingana be ny fihanaky ny valanaretina ary vetivety dia indaosin’ny fahafatesana, indrindra ny tao Mahajanga. Nalefa tany amin’ny Institut Pasteur any Paris ny singa satria efa betsaka ilay variant, ka eo ny an’ny Anglisy, izay efa 111 ny firenena misy azy; ilay any Afrika Atsimo efa hita amina firenena 58 izay mahery vaika kokoa, ary vetivety dia maty izay tratrany ka 30 hatramin’ny 45 taona no lavony. Nandefa singa 60 notiliana tany France ny 17 febroary ka tsy nisy ilay “variant” tamin’io andro io. Nitombo ihany anefa ny maty, rehefa nandefa fitiiana indray ny 26 febroary, nisy fitiliana 15 nalefa tany Frantsa, dia mbola tsy nisy ilay “variant” ihany. Tamin’ny 11 martsa lasa teo kosa dia nisy singa nalaina tany Mahajanga sy faritra hafa, ka nisy fitiliana 18, ary tsy afaka hafenina, fa nisy 7 tamin’ireo 18 dia hita fa nahitana ilay “variant” avy any Afrika Atsimo no tafiditra eto Madagasikara. Ny alakamisy 18 martsa teo lasa teo izao dia nisy botry avy any Kaomoro any Moeli, ao nohidiran’ny variant avy any Afrika Atsimo, nitondra olona antsokosoko niditra tao Mahajanga. Rehefa tratra dia tsy navela niditra fa nijanona teny an-dranomasina. Ny zavatra ahiana dia nisy olona maty tao, hoy i Andry Rajoelina.

 FEPETRA

Tsy hisy ny fihibohana; vao misy soritraretina dia manatona Toeram-pitsaboana avy hatrany. Maimaimpoana ny fanaovana fitilina « PCR »; Maimaimpoana ny fanaovana « scanner » ho an’ireo olona voan’ny « COVID-19 ». Omena « CVO+ gélule » ireo olona mararin’ny « COVID-19 ». Hisy fizarana « CVO tambavy » manerana ny fokontany any amin’ny Faritra 5 tena hanjakan’ny valanaretina. Ireo toerana mandray olona mitondra soritraretina dia manome fanafody maimaimpoana. Handray ireo marary « formes graves » ny « COVID-19 » ny « CTC-19 Village Voara » manomboka anio Alatsinainy, ary ankoatra ny fangalana singa hanaovana fitilina izay efa atao eny an-toerana. Miverina ny BIS (Bataillon d’intervention spéciale) haka ireo marary sy hitsirika ny fahasalamana any an-tokantrano. Hosokafana ny « COVDATA ». Mbola afaka mandeha ny hetsika ara-panatanjahantena fa tsy azo hatrehina afatsy ireo nahazoana alalana manokana. Tsy azo atao ny mamory olona mihoatra ny 200. Tsy mihaotra ny olona 10 ny mpandevina raha toa ka olona matin’ny « COVID-19 » no halevina.

FEPETRA MANOKANA

 Hakatona mandritra ny 15 andro ny sisin-tany ao Nosy-Be sy Mahajanga. Manomboka ny sabotsy izao dia tsy mandray sidina avy any ivelany intsony ny ao Nosy-Be ary tsy hisy sidina hivoaka intsony ihany koa ao amin’ny seranam-piaramanidina ao Nosy-Be.

Toky R

Dans la même rubrique