airtel

Covid 19

29-nov-2021

Covid 19

Mieli-patrana ny coronavirus Analamanga, Vakinankaratra, Menabe no be voa

Sample post image

Miakatra hatrany ny trangana coronavirus, mitombo ihany koa ny faritra ahitana azy. Tao Anatin’ny herinandron’ny 20-26 novambra 2021.

29-nov-2021

 Nahatratra 258 ny trangana covid-19 vaovao, araka ny tatitra ofisialy. 140 no tranga niaingana hita voalohany, ary ny 118 kosa "contact tracing" na fitsirihana an'ireo nifampikasoka tamin'ireo voa voalohany. Miisa 13 kosa ny "formes graves" na marary mafy. Mitana ny laharana voalohany amin’ny hamaroan’ny tranga Analamanga izay nahitana 114 be izao, faharoa Vakinankaratra 54, Menabe 30, Anosy 27, Matsiatra Ambony 23, Atsinanana 2, Sava 2, Ihorombe 2, Amoron’I Mania 1, Itasy 1, Melaky 1, Vatovavy Fitovinany 1. Ny herinandro teo aloha dia faritra 5 tamin’ny 22 no nahitana tranga, saingy nikatratra ho 12 izany amin’izao fotoana izao. Mihazakazaka ny fipariahan’ny valanaretina covid-19, ka raha tsy mitandrina dia mety ho zava-doza indray no miandry antsika. Ny antontan’isa ofisialy io, fa betsaka ny tranga mety mbola tsy hita any amin’ny fiarahamonina any noho ny tsy fahafantarana, fahatahorana hamonjy toeram-pitsaboana. Mila mitandrina noho izany ny rehetra satria ho antsika dia tena ambony ny risika satria ny fepetra tsy voahaja, ny olona vita vaksiny tsy misy, ny fidiran’ny vahiny mitondra valanaretina mety goragora mato lasa midangana indray ny tranga taorian’ny fisokafan’ny sisin-tany. Efa atsy Afrika atsimo ny “variant” mahery vaika, ny atsy Maurice izay nisokafan’ny sidina voalohany mankaty amintsika mandravarava ny tranga. Tsy maniry loza, fa raha izao fizotrany izao, dia ahiana indray ny toe-draharaha eto Madagasikara.
Toky R
 

Dans la même rubrique