airtel

Covid 19

05-déc-2022

Covid 19

Miha mahazo vahana ny Covid 19 223 ny tranga vaovao tato anatin’ny herinandro

Sample post image

Lohalaharana hatrany ny faritra analamanga amin’ny fiparitahan’ny valan’aretina Covid 1ç araka ny tatitra ofisialy farany navoaky ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka omaly alahady.

05-déc-2022

Miisa 188 no voamarina fa voan’ny Covid ho an’Analamanga, 14 ny tany Diana, 9 ho an’i Vakinankaratra.Miampy ireo dia misy faritra 9 hafa ihany koa efa ahitana ny Covid 19.Raha atambatra dia 223 ny tranga vaovao voamarina ny 26 novambra ka hatramin’ny 2 desambra teto Madagasikara. Misy olona 1 namoy ny ainy ary 2 no ao anaty « forme grave » ankehitriny. Sy mitsaha-mitombo arak’izany ny tarehimarika ary efa mampatsiahy matetika ny avy ao amin’ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka, manamafy izany ireo mpitsabo isan-karazany fa vanim-potoana mampahazo aina ny valanaretina izao ka tokony hitandrina sy ho mailo ny rehetra.Aza mitangorongorona mihitsy aloha raha azo atao hoy ny Dr Manitra, izay misahana ny fampiroboroboana ny fahasalamana eo anivon’ny ministera.Misy ihany koa ireo mpitsabo mampatsiahy fa zava-dehibe ny fanamafisana ny hery fanorenana amin’ny fihinana sakafo ara-dalàna sy voalanjalanja tsara ka tena atao mahazo vahana ny fihinanana legioma sy voankazo, tsy adino ihany koa ny misotro rano tsara ary tsy dia manao reraka loatra.Zavadehibe ihany koa ny fahampian’ny torimaso, hoy hatrany ireo mpitsabo.
RTT
 

Dans la même rubrique