airtel

Covid 19

25-janv-2021

Covid 19

Miha miparitaka ny Coronavirus 442 tranga vaovao, 6 maty, 39 marary mafy

Sample post image

Olona miisa 6 no matin’ny covid-19 teo anelanelan’ny 16-22 janoary, ka

25-janv-2021

 

 

 


nampiakatra ny isan’ny lavo hatrizay ho 279. Ny 03 tamin’ireo namoy ny ainy teto Analamanga, 02 Vakinankaratra, ary 01 kosa tany Matsiatra ambony. Nahatratra 442 kosa ny tranga vaovao, izay nihoatra 142 mitaha amin’ny tamin’ny herinandro ambony izay 300, raha toa ka 234 kosa ny tamin’ny tapa-bolana, izany hoe tsy mitsaha-miakatra ny tranga vaovao. Fitiliana 2968 no nahitana ireo 442 ireo, izay manome taham-pahavoazana 14,89% azo ambara ho tena ambony tokoa. Mitana ny lohalaharana hatrany eto Analamanga, izay nahitana tranga 252 be izao, Vakinankaratra 12, Antsinanana 55, Analanjirofo 03, Matsiatra Ambony 60, Amoron’i Mania 31, Vatovavy Fitovinany 03, Atsimo Andrefana 11, Anosy 02, Menabe 04, Boeny 06, SAVA 02, ary tranga avy any ivelany 01. Faritra 12 izany no nahitana tranga vaovao. Tsikaritra ho niverina nitombo be ny tranga any Atsinanana, Matsiatra Ambony, Amoron’i Mania, Vakinankaratra, indrindra fa ny eto Analamanga satria teto avokoa ny 57,01% tamin’ny tranga vaovao. Mahatratra 39 kosa ireo marary mafy na “forms graves”, ka mahatratra 19 ny any Matsiatra Ambony, 17 Analamanga, 01 Analanjirofo, ary 01 ihany koa any Boeny. Nahatra 321 kosa ny saitrana vaovao. Hatreto, 108 310 ny fitiliana rehetra vita hatramin’izay, nahitana tranga 18 743, manome taham-pahavoazana ankampobeny 17,30%. Miisa 17 930 kosa ny sitrana hatramin’izay, ary 534 kosa ireo mbola manaraka fitsaboana. Tena miakatra sy mitombo hatrany ny trangana covid-19 eto Madagasikara, ary efa tena mampivarahontsana, indrindra fa ny eto Antananarivo. Mila mitandrina sy mampitombo hatrany ny fahamailoana satria varavarana misokatra mankany amin’ny fihibohana indray io, raha tsy voafehy eo.

Toky R

Dans la même rubrique