airtel

Covid 19

06-déc-2021

Covid 19

Mihazakazaka ny fiparitahan’ny Covid-19 Tafiakara 5 ny maty, 470 ny tranga vaovao

Sample post image

Miha miverina mamono olona sy tena miely hatrany indray ny valanaretina coronavirus. Nahatratra 5 be izao ireo namoy ny ainy ato anatin’ny herinandro (27 novambra-03 desambra), araka ny tatitra ofisialy.

06-déc-2021

Tafiakatra 972 noho izany ireo namoy ny ainy hatramin’izay nahatafidiran’ny coronavirus teto Madagasikara. Tafiakatra 470 ihany koa ireo tranga vaovao, raha toa ka 258 izany tamin’ny herinandro teo alohany. Mikasika ireo tranga 470 tao anatin’ny herinandro moa dia 145 no hita voalohany, ary 325 kosa azo tamin’ny alalan’ny fikarohana ireo mety nifampikasoka tamin’ireo voa na “contact tracing”. Raha atao ny salan’isa dia 67 isan’andro eo ny tranga vaovao tamin’ity herinandro ity, raha toa ka 36 ho an’ny herinandro teo alohany. Mitana ny lohalaharana hatrany amin’ny isan’ny tranga vaovao ny Faritra Analamanga izay nahitana 191 raha 114 teo aloha, Vakinankaratra 114, Matsiatra Ambony 98, Anosy 27, Menabe 9, Amoron’I Mania 8, Vatovavy Fitovinany 7, Alaotra Mangoro 5, Atsimo Andrefana 4, Boeny 2, Sofia 2, Atsinanana 1, Itasy 1, Diana 1. Niakatra ho 14 ny faritra nahitana coronavirus, raha 12 izany tamin’ny herinandro teo aloha, ka ny faritra Alaotra Mangoro sy Sofia. Miisa 22 ny marary mafy na “formes graves” raha toa ka 13 izany teo aloha. Miteny ho azy ny antontan’isa, fa miha miparitaka izay tsy izy ny valanaretina coronavirus. Miakatra ny tranga, mitombo ny maty,… Tena miparitaka, ary manomboka tsy voafehy mba tsy hilazana fa efa tena tsy voafehy. Raha tsy mitandrina mety ho zava-doza indray no hiandry ato ato ho ato. Ahiana ho feno ny toeram-pitsaboana, raha izao fihazakazaky ny tranga vaovao izao. Tompon’andraikitra tanteraka amin’ny zava-misy ny tsirairay. Mbola ambany ny taham-panaovana vaksiny, ny olona tsy mitandrina,… Raha izao fitomboan’ny tranga izao, ho sarotra ny zava-misy any amin’ny volana janoary sy febroary na martsa any. Entanina hitandrina hatrany ny rehetra.
Toky R
 

Dans la même rubrique