airtel

Covid 19

18-janv-2021

Covid 19

Mila mailo i Madagasikara Efa atsy Mayotte ilay coronavirus haingam-pifindra

Sample post image

Nanamafy ny Prefe atsy Mayotte ny sabotsy lasa teo fa tena nahitana ny tranga voalohan’ilay “coronavirus”

18-janv-2021

 

 

miseho amin’ny endriny haingam-pifindra sy mahery vaika kokoa na « Variant 501.V2 », izay efa miparitaka any Afrika Atsimo atsy amin’ity Nosy tsy lavitra an’i Madagasikara ity. Voamarina tamin’ny alalan’ny fitiliana ny singa nalefa tany amin’ny ARS (Agence Régional de la Santé) any amin’ny Institut Pasteur de Paris io, araka ny fampahafantarana nataon’ny Prefektioran’i Mayotte. Natoka-monina tanteraka io olona nahita ny tranga vaovao io, ary mandeha ny fikarohana ireo mety nifampikasoka taminy. Nanatsahatra ny fifandraisana anabakabaka sy an-dranomasina ity firenena ity nanomboka omaly 17 janoary, ary haharitra 15 andro io. Ho an’ny eto Madagasikara, dia efa ny faran’ny desambra no voarara ny fidiran’ny sidina avy atsy Mayotte amin’ny alalan’ny Ewa Air mankany Nosy Be, izay tsy nahafaly io kaompania io. Isan’ny antony ny voalaza fa fitondran’io kaompania io olona avy amin’ireo firenena sokajiana ho misy risika. Na izany aza, tsy ao anatin’ireo lisitry 44 ny firenena misy risika navoakan’ny ACM ny sabotsy lasa teo i Mayotte. Marina fa mandray fepetra I Madagasikara momba ny sidina mivoaka sy miditra eto, saingy hatreto mbola tsy tapaka tanteraka ny fifandraisana an’habakabaka sy an-dranomasina miditra eto, ary mbola nisy tranga vaovao 1 avy any ivelany notaterina omaly. Misy zavatra tsy mazava ihany koa. Tamin’iny faran’ny herinandro iny, ohatra, dia fiaramanidina roa no voalaza fa niditra teto, dia ny an’ny compagnie GECAS sy ny Jet An'ny Bank of Utha. Raha sanatria tafiditra eto io endrika vaovao io, dia zava-doza ho an’ny Malagasy. Tena marefo, ary tsy ampahafirin’ireo firenena lehibe sy matanjaka, eny fa ny an’ireo Nosy manodidina na koa ny any Afrika Atsimo ny rafi-pahasalamana (système de santé) eto amintsika, ka hahatohitra an’izany. Mila fahamailoana goavana.

 

Toky R

Dans la même rubrique