airtel

Covid 19

06-juil-2021

Covid 19

Minisitry ny fahasalamana “Manara-maso akaiky ny Variant Delta ny minisitera”

Sample post image

Ny avy ao amin'ny CNSS na ny Tahirim-pirenena fifampitsimbinana ho an'ny fahasalamana no nitatitra ireo zava-bita ny herinandro lasa sy ireo kinasa ho amin'ny herinandro ho avy nandritra ny fananganan-tsaina teo anivon'ny

06-juil-2021

 Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka omaly maraina, hoy ny fampitam-baovao. Tsy eken'ny Minisitera ny tsy fisian'ny fanafody any amin'ireo tobim-pahasalamana. Tsy ekena ihany koa ny famarotana ireo fanafody izay tokony omena maimaim-poana ny vahoaka Malagasy. Io no ambetin-tenin'ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Pr Rakotovao Hanitrala Jean-Louis, manoloana ny fikaikaikan'ny vahoaka amin'ny resaka fanafody eny anivon'ny Tobim-pahasalamana. Nijery ifotony ny mahakasika izay ny tenany ny herinandro lasa teo. Nijery ny tao salama izy, nandalo tao amin'ny Phagedis ary tonga hatrany amin'ireo CSB. Misy, hoy izy ireo, fanafody izay tokony andoavam-bola fa misy kosa ireo maimaimpoana. Anisan'izany ny fanafody mahakasika ny fandrindram-piterahana sy ny tazomoka. Any Atsimo no hanombohana ny paikady napetraka ho an'ny fandrindram-piterahana ary hipaka manerana an'i Madagasikara, hoy hatrany ny Minisitra. Mahakasika ireo lay misy odimoka maharitra izay naparitaka manerana ireo faritra maro eto Madagasikara entina hiadiana ny tazomoka dia nanantitrantitra ny Minisitra fa hanara-maso akaiky ny fahatongavan'ireo fitaovana ireo any amin'ireo faritra tokony hisitraka izany. Manoloana ny ady amin'ny valanaretina Coronavirus, mitohy ny ady, hisaorana manokana ireo mpiasan'ny fahasalamana. Efa manara-maso akaiky ny fivoaran'ilay “variant Delta” ny eto anivon'ny Minisitera tompon'andraikitra ary efa mipetraka ireo paikady. Marina fa miha vitsy ireo tranga vaovao saingy mila miomana hatrany isika ary manara-maso akaiky ny fivoaran'ny Covid eto Madagasikara sy maneran-tany ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka, hoy hatrany ny Minisitry ny Fahasalamana.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique