airtel

Covid 19

18-janv-2021

Covid 19

Minisitry ny fahasalamana « Tsy maintsy manaja fepetra isika raha tsy te hihiboka »

Sample post image

Niverina niasa indray ny Ivon-toeram-pitsaboana Covid-19 etsy amin’ny Village

18-janv-2021

 

 

Voara Andohatapenaka, izay napetraky ny fitondram-panjakana mba hanatsarana ny fandraisana an-tanana sy ny fitiliana ireo olona misy ny soritr’aretina coronavirus. Tonga nitsidika teny an-toerana omaly maraina ny Minisitry ny fahasalamam-bahoaka, Prof Rakotovao Hanitrala Jean Louis. Nohamafisiny fa « ny paikady hany tokana mahomby tsy hidirantsika amin’ny fihibohana dia ny fanajana ireo fepetra sakana… ». Nitondra fanazavana mikasika ny fandaminana ny fandraisana an-tanana ireo olona ahiahiana na ahitana soritr’aretina Covid-19 ity minisitra ity. “Nitombo ny isan` ny olona mitondra ny aretina taorian` ny fety noho ny goragora. Misy firenena afrikanina miverina amin` ny fihibohana fa isika kosa hiezaka tsy hiditra amin`izany. Sahiko no milaza etoana fa ny paikady tokana dia ny fanajàna hajaina ny fepetra sakana toy ny fanaovana aro vava orona, ny fampiasana “gel désinfectant », ny fanajàna ny elanelana iray metatra. Mila manaja izany isika. Miantso ireo tomponandriakitra hampanaja ireo fepetra sakana koa aho” hoy hatrany ny minisitra. Raha tsiahivina di any CTC-19 Village Voara dia manao ny fitiliana ireo olona misy ny soritr’aretina coronavirus ary mandray an-tanana ny fitsaboana ireo olona voamarina fa mitondra izany. Araka izany, raha hita fa voamarina dia avy hatrany dia omena fanafody sy fitiliana. Mandrapahatonga ny valim-pitiliana dia tsy maintsy mihiboka. Marihana fa misokatra manomboka amin` ny 8 ora maraina hatramin`ny 4 ora hariva ny CTC-19 Village Voara.

 

Marigny A.

Dans la même rubrique