airtel

Covid 19

12-mars-2021

Covid 19

Minisitry ny fahasalamana « Tsy mihiboka isika raha manaja fepetra ny rehetra »

Sample post image

Mitombo isa hatrany ireo olona tratry ny valan’aretina Covid 19 eto amintsika.

12-mars-2021

 

 

Tsy manerana ny faritra 22 anefa izany fa amina faritra maromaro ihany raha araka ny fanazavan’ny Minisitry ny fahasalamam-bahoaka ny profesora Rakotovao Hanitrala Jean Louis teny Andraharo omaly. Anisan’ireny ny eto Antananarivo izay misy ny ivon’ny valan’aretina amin’izao fotoana. Mila mitandrina sy mailo be isika araka izany raha araka ny fanazavany mba tsy sanatria hahatongavana any amin’ny fihibohana indray. Anisan’ny angatahin’ity Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka ity amin’ny Malagasy ny tokony hanajana ilay fepetra sakana hiarovana amin’ny fiparitahan’ny valan’aretina toy ny fanaovana aron-tava, ny fanajana ilay elanelana 1 metatra, ny fanasana tanana amin’ny savony matetika…. Raha miezaka manaja izany ny tsirairay hoy izy dia tsy atahorana hiparitaka be ny aretina. Na izany aza dia fantatra fa mbola tsy mihoatra ny 100 isan’andro ireo olona tratry ny Covid 19 eto amintsika. Notanterahina omaly teny amin'ny Foiben'ny UNICEF Andraharo ny lanonana fanolorana ôfisialy ireo moto miisa 33 sy « respirateur » miisa 18 avy amin'ny UNICEF, ny GAVI, ny Fonds Danois, Takeda Japon sy ny ECHO izay ho tsinjaraina eny anivon'ireo Hôpitaly eny amin'ny Faritra sy distrika eto Madagasikara. Tsara ny manamarika fa ireo "moto" ireo dia ho entin' ireo tompon'andraikitry ny vaksiny eny anivon'ny distrika (Res.pev) izay iasan'ny Tetik'asa GAVI, hidina ifotony amin'ny fanarahamaso ireo aretina azo sorohana amin'ny vaksiny, eo ihany koa ny fitiliana ireo zaza izay tsy vita vaksiny sy ny fanaovam-baksiny azy ireo.

Pati

 

 

 

Dans la même rubrique