airtel

Covid 19

12-mars-2021

Covid 19

Minisitry ny fitaterana sy fizahantany « Tsy hotapahana izany ny sidina miditra ao Nosy Be »

Sample post image

Ny firenena matanjaka aza miditra amin’ny fihibohana hisakanana ny fipariahan’ny valanaretina coronavirus,

12-mars-2021

 

 mainka fa isika eto Madagasikara izay tsy manana ny hoenti-manana akory amin’ny fiatrehana sy ny ady amin’ny coronavirus, hoy ny Ministeran’ny fitaterana sy ny fizahantany. Na izany aza tsy atsahatra ny sidina iraisam-pirenena migadona ao Nosy Be, izay isan’ny miha mirongatra ny valanaretina covid-19, araka ny nambaran’ny Minisitra Atoa Joel Randriamandranto omaly. Taorian’ny fifampidinihana dia tapaka niaraka tamin’ny mpandraharaha sy ny Ivon-toeram-pibaikoana momba ny covid-19 any amin’ny faritra io tsy hanakatonana sy hanatsaharana ny sidina io. Nambara fa tsy avy any ivelany no mahatonga ny firongatry ny tranga. Nanomboka ny oktobra 2020, dia 5500 teo ny mpandeha tonga tao Nosy Be. 30% na 1700 teo ihany no mpizahantany. Tao anatin’ireo, dia 23 ihany ny tranga vaovao, izay efa tamin’ny 2020 ny ankamaroany, fa 3 ihany ny tamin’ity taona ity. Tsy ny avy any ivelany no mampirongatra ny valanaretina ao Nosy Hell Ville, fa noho ny tsy fitandreman’ny olona any an-toerana, ny tsy fanajana ny fepetra sakana, hoy ny Minisitry ny fitaterana sy ny fizahantany.

Toky R

Dans la même rubrique