airtel

Covid 19

15-nov-2022

Covid 19

Ministeran’ny fahasalamana Manamafy ny ady amin’ny coronavirus

Sample post image

Nisy ny fanentanana ireo mpiara-miasa mba hitandrina ny amin’ny valanaretina Coronavirus nandritry ny fananganan-tsainan’ny ministera’ny fitsarana teny Faravohitra omaly alatsinainy.

15-nov-2022

Nanantitrantitra ny dokotera sady filohan'ny sosialin'ny Ministera mba hitandrina hatrany amin'ny fahasalamana indrindra hisoroka fa lasa mitombo indray izao ny olona voan'ny "Covid-19". Mbola nanamafy izany ny minisitry ny fitsarana avy eo.Etsy ankilan’izay efa miverina manao fanentanana ny amin’ny tokony hanajana ireo fepetra fiarovana amin’ny Coronavirus sy ny tokony hanaovana vaksiny ny eo anivon’ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka. Raha mijery ny tarehimarika farany tokoa aloha dia tsy tokony ho mandrimandry manana aretina satria tamin’ny olona 464 natao fitiliana dia voamarina fa voan’ny valanaretina ny 71, izany hoe 15,30 % ny taha-pahavoazana. Tena ambony izany hoy ny fanazavan’ny dokotera iray, miasa eo anivon’ny ministera.Ny faritra Analamanga hatrany no lohalaharana ; tsikaritra ihany koa eny an-dalambe, anaty fiara fitateram-bahoaka, eny amin’ireo birao sy toeram-piasana ary sekoly maro samihafa fa efa miha maro ny olona manao arovava orona, noho ny fandrenesana fa misy indray ireo marary ary misy tratry ny « forme grave » mihitsy aza. Zava-dehibe ny fitandremana ary na ny mpitsabo aza dia mamerimberina hoe : aleo misoroka toa izay mitsabo. Tsy misy aloha hatreto ny hoe fepetra nambaran’ny fitondram-panjakana fa ny tsirairay no samy tokony hitandrina.
RTT
 

Dans la même rubrique