airtel

Covid 19

26-mars-2021

Covid 19

Ministeran’ny fiarovana Nizara CVO+ ho an’ny miaramila

Sample post image

Ho fanatanterahana ny baikon'ny Filohan'ny Repoblika sy ny hevitra tapaka tamin'ny filankevitriny ny Minisitry ny alarobia teo,

26-mars-2021

 

 

 

 dia notanterihin'ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena omaly niaraka tamin’ny Lehiben'ny Etamazaoron'ny Tafika ny fizarana ny CVO Plus ho an'ny miaramila sy ny mpiasa sivily ao amin'ny Ministeran'ny Fiarovam-pirenena. Nizara 2 ny fizarana: Tao amin'ny Toby Rakotonirainy Alphonse nanomezana ny anjaran'ireo miaramila misehatra eo anivon'ny ZDS 10 manerana ny nosy. Teny amin'ny Toby Rezimanta Voalohany Jenia Miaramila kosa ho an'ny miaramila miasa eo anivon'ny Ministera sy ireo amin'ny toby manodidina. Tanjona ny hanana miaramila salama afaka manampy ny vahoaka amin’ny ady amin'ny valan'aretina Covid-19, hoy ny Minisiteran’ny fiarovam-pirenena.

Toky R

Dans la même rubrique