airtel

Covid 19

09-juin-2021

Covid 19

Ministeran’ny Fitsarana Hanao vaksiny Covishield ny mpiasa sy ny fianakaviany

Sample post image

Mandray anjara amin’ny ady atao amin’ny fipariahan’ny valanaretina Covid-19 eto Madagasikara ny Ministeran’ny Fitsarana.

09-juin-2021

 

 

Nandritra ny fananganan-tsaina omaly maraina dia tonga teny Faravohitra, nanao fanentanana sy nanome fanazavana ireo fanontaniana nanitikitika ny tsirairay avy momba ny vaksiny Covishield, ireo dokotera roa vavy avy amin’ny Fikambanambe Iraisam-pirenena ho an’ny Fahasalamana (OMS). Nanamafy ireto farany fa tsy misy tokony atahorana velively ny fanaovana ny vaksiny Covishield. Tetsy andaniny ny Mpitahiry ny Fitombonkasem-panjakana sy Minisitry ny Fitsarana, Andriamahefarivo Johnny Richard dia nanamafy fa akoatra ny fanajana ireo fepetra sakana isan-karazany, dia ny fanaovana vaksiny irery ihany no antoka hoenti-mandringana ny fipariahan’ny valanaretina Covid-19 eto Madagasikara. Nisokatra nanomboka omaly alatsinainy 07 jona 2021 ny fisoratana anarana ho an’ny mpiasan’ny Ministeran’ny Fitsarana sy ireo fianakaviany, amin’ny fanaovana vaksiny Covishield ary hifarana ny alakamisy 10 jona 2021 izao. Maimaim-poana ny fanaovana ny vaksiny, ary hatao ho an’ny olona feno 18 taona no mihoatra.

Jean D.

Dans la même rubrique