airtel

Covid 19

20-juin-2022

Covid 19

Mirifatra indray ny covid-19 2 maty, 324 ny tranga vaovao

Sample post image

Olona 2 maty, 324 ny tranga vaovao ! Io indray ny tarehimarika vaovao mikasika ny fivoaran’ny coronavirus tao anatin’ny herinandron’ny 11-17 jona teeo.

20-juin-2022

Miteny ho azy ny antontan’isa, tsy mitsaha-miakatra ny tranga. Tafiakatra avo folo heny latsaka kely mitaha ny tany amin’ny efatra herinandro nialohany satria niainga 38, 63, 101, 207, ary izao efa 324 izao. Fitiliana miisa 5388 no nahitana ireto tranga vaovao ireto manome taham-pahavoazana 6,01% izay ambony ihany koa mitaha ny teo alohany izay 4,7%. Analamanga hatrany no mitana ny lohalaharana amin’ny isan’ny tranga satria nahatratra 299 indray izany, 4 avy kosa tany Androy sy Matsiatra Ambony ary Ihorombe, telo avy tany Atsinanana sy Vakinankaratra ary Itasy, 2 tany Diana, ary 1 avy tany Amoron’i Mania sy Vakinankaratra. Miisa 478 hatreto ireo manaraka fitsaboana, ka ny 8 amin’ireo no misy fahasarotana na “forme grave”. Tafiakatra 1398 kosa ireo namoy ny ainy hatramin’izay. Tena tsy mitsaha-miakatra ny tranga, mitombo hatramin’ny lavo raha efa tsy nahitana izany tao anatin’ny roa herinandro nialohan’ity. Mila mampiakatra ny fitandremena sy ny fiarovan-tena isika satria tena manomboka tsy voafehy indray ny fipariahan’ny coronavirus. Ny Malagasy vita vaksiny anefa vao manodidina ny 1,3 tapitrisa ka entanina hatrany ny tsitrairay hiaro tena amin’ny alalan’io, izay hany fanefitra ekena iraisam-pirenena hatreto.
Toky R
 

Dans la même rubrique