airtel

Covid 19

13-juin-2022

Covid 19

Mirongatra be ny covid-19 Niakatra 100% ny tranga vaovao

Sample post image

Tsy mitsaha-mitombo ny trangana coronavirus eto Madagasikara. Tafiakatra 207 ny tranga vaovao tao anatin’ny herinandron’ny 4-10 jona 2022, raha toa ka 101 ny herinandro teo alohany.

13-juin-2022

Ny 200 tamin’ny tranga no hita voalohany, ary fanaraha-maso ireo nifanerasera tamin’ireo voa na “tracing contact kosa ny 7 ambiny. Manodidina ny 30 isan’andro olona voa hita tao anatin’ny herinandro farany teo, raha atao ny salan’isa. Niakatra 100% mahery izany ny tranga vaovao, izay midika fa mitombo be ny fipariahan’ny valanaretina. Fitiliana 4400 no nahitana an’ireo 207 ireo, izay manome taham-pahavoazana 4,7%. Ny faritra Analamanga hatrany no ahitana tranga betsaka indrindra satria izay nahatratra 161 raha toa ka 84 ny herinandro teo alohany. Mitana ny laharana faharoa kosa ny faritra Antsinanana izay nisy fitomboana be satria nahitana 24, niakatra ihany koa ny tranga any Vakinankaratra izay nahatratra 16 ny tranga vaovao tao anatin’ny herinandro. Miisa 2 kosa ny tranga tany Boeny, ary iray avy tany Atsimo Atsinanana, Itasy, Bongolava, ary Matsiatra Ambony. Tao anatin’ny 4 herinandro, tsy nitsaha-nitombo ny fiakaran’ny trangana coronavirus vaovao teto Madagasikara ary saika avo roa heny amin’ny teo alohany hatrany satria niainga 38, 63, 101, ary 207. Na nitombo avo roa heny mahery azy ny tranga, dia tsy nisy kosa ny namoy ny ainy, raha toa ka 3 no lavo tamin’ireo roa herinandro teo aloha. Mahatratra 283 kosa ankehitriny ireo mbola manaraka fitsaboana, ka ny 3 amin’ireo no ao anatin’ny fahasarotana. Tena tsy mitsaha-miakatra ny isan’ny tranga ka ilaina ny mampitombo ny fitandremana. Fotoana isan’ny tena mampahazo aina ity valanaretina ity rahateo ny vanim-potoana mangatsiaka. Entanina hatrany ihany koa ny rehetra hanao vaksiny satria io ihany hatreto no hany fanefitra ekena ho mahomby maneran-tany.
Toky R
 

Dans la même rubrique