airtel

Covid 19

31-mars-2021

Covid 19

Mirongatra izay tsy izy ny Covid 19 Manomboka miantso fihibohana ny mpitsabo

Sample post image

Olona 9 no indray namoy ny ainy vokatry ny covid-19 ho an’ny 29 martsa, araka ny tatitra omaly.

31-mars-2021

 

 

 

 Ny 3 teto Analamanga, 1 Diana, 4 Boeny, 1 Atsinanana. Tafiakatra 403 ny maty hatramin’izay. Tratra omaly ihany koa ny isan’ny olona marary tsaboina maherin’ny 2000. Nahatratra 295 ny olona vaovao mitondra ny valanaretina, ka ny 229 manome ny 77,62% dia teto Analamanga, 20 Diana, 1 Sofia, 3 Itasy, 2 Analanjirofo, 3 Atsimo andrefana, 9 Sava, 9 Boeny, 1 Matsiatra ambony, 2 Alaotra Mangoro, 16 Atsinanana. Tamina fitiliana 1158 no nahitana ireo 295 izay manome taham-pahavoazana 16,83%. Miisa 105 kosa ireo sitrana ny alatsinainy teo. Hatreto, tafiakatra 2085 ireo marary mbola tsaboina eto Madagasikara, ka ny 275 manome salan’isa 13,18% dia misy fahasarotana na “forms graves” avokoa. Tena mampivarahontsana satria mitombo andro aman’alina ireo marary mafy satria raha 201 ny alahady teo, dia niampy 74 be izao ny ampitson’iny. Mety tsy ho taratry ny tena zava-misy aza io satria misy ny mety marary na maty ho tsy voaisa eny amin’ny fiaraha-monina.

FIHIBOHANA HANDAMINANAN-JAVATRA

Mihasarotra ny fandraisana an-tànana ny mararin’ny covid-19 eto Madagasikara, indrindra fa eto Antananarivo. Maro ny fitarainana amin’izao fotoana izao, toy ny fahataran’ny fandraisana an-tànana, tsy maharaka ny mpitsabo, tsy ampy ny « oxygène » ary efa manomboka lasa bizina satria tena vidian-dafo na ambara aza fa mamokatra azy io ny Hopitalim-panjakana. Nambaran’ny fampahalalam-baovao iray omaly, fa mandany hatrany amin’ny 1 800 000Ar isan’andro amin’ny « oxygène » ny marary iray any amin’ny hopitaly tsy miankina. Sarotra ny mitady toerana any amin’ny Hopitalim-panjakana, izay saika feno ny ankamaroany. Ny marary iray mety mandany 15L isa-minitra ny marary misy fahasarotana iray, misy mila 50L isan’andro. Voafetra anefa ny azon’ny hopitaly tsy miankina fandrihana sy ampiasaina. 8hetsy ny 5 litatra miaraka amin’ny tavoahangy, ary rehefa mameno izany no 160 000Ar mameno. Raha ho anay izay mahita ny zava-misy dia mangataka amin’ny Fanjakana, dia tena mila miditra amin’ny fihibohana satria mitombo andro aman’alina ny tranga, ny eo tsy voatsabo, ny eo mitombo ihany, hoy ny mpitsabo.

Toky R

Dans la même rubrique