airtel

Covid 19

11-janv-2021

Covid 19

Mirongatra ny coronavirus 5 maty, 234 ny tranga vaovao, 23 marary mafy

Sample post image

Miverina mampivarahontsana ny covid-19 eto Madagasikara. Miisa 5 no maty

11-janv-2021

 

 

 

 

tao anatin’ny herinandron’ny 2-8 janoary ka 3 teto Analamanga, 01 Matsiatra Ambony, ary 01 Melaky. Tafiakatra 267 ny lavon’ny coronavirus hatramin’izay. Nahatratra 234 ny tranga vaovao, ka 93 teto Analamanga, 09 Vakinankaratra, 16 Analanjirofo, 25 Matsiatra Ambony, 11 Vatovavy Fitovinany, 16 Amoron'i mania, 48 Boeny, 02 Atsimo Andrefana, 11 Menabe, 02 Diana, ary 01 tsy fantatra mazava. Faritra 10 tamin’ny 12 izany no nahitana tranga vaovao, ary nidangana ny teto Analamanga, Boeny, Matsiatra Ambony. Miisa 1607 ny fitiliana nahazoana ny tranga 234 izay manome taham-pahavoazana 14,56%. Miisa 149 kosa no sitrana tao anatin’ny herinandro. Miisa 23 ireo marary mafy amin’izao fotoana izao ka 11 eto Analamanga, 03 Vakinankaratra, 09 Vatovavy Fitovinany. Miha mampatahotra ny trangana covid-19 eto Madagasikara na milaza aza ny mpitondra Fanjakana, fa tsy ahiana ny hiakaran’ny valanaretina satria ho an’ny eto Analamanga dia nambara fa ny 40% eo amin’ny mponina no efa manana hery fiarovana, 30% any Diana,… Na izany aza, mampanahy ny zava-misy, ka mila mitandrina ny rehetra. Tsy azo heveria ny hiverenana amin’ny fihibohana, ary tsy mieritreritra ny hampiditra an’i Madagasikara amin’izany izahay, hoy ny Minisitry ny fahasalamana ny herinandro tena. Miakatra anefa ny tranga, ary ahiana ho tonga amin’izany, raha tsy mitandrina isika. Sanatria ihany koa ve ho tafiditra any amin’ny kajy politika hoenti-manary dia ny vahoaka eo anatrehan’ny toe-draharaha mafana ihany koa ?

 Toky R

Dans la même rubrique