airtel

Covid 19

04-juil-2022

Covid 19

Mitombo hery ny covid-19 03 maty, 406 ny tranga vaovao

Sample post image

Miha mahery vaika ny valanaretina coronavirus eto Madagasikara, izay porofoin’ny antontan’isa tsy mitsaha-miakatra isan-kerinandro.

04-juil-2022

Olona miisa 3 be izao no namoy ny ainy, nampiakatra ny isan’ny lavo hatramin’izay ho 1041, ary tafiakatra 406 ny tranga vaovao teo anelanelan’ny 24 jona hatramin’ny 01 jolay 2022, raha toa ka 372 ny herinandro teo alohany, ary 324 kosa tamin’ny tapa-bolana lasa. Fitiliana 6683 no nahitana ireo tranga 406 ireo, izay manome salan’isa 6,07%. Mitsinjara toy izao ireo tranga 406 ireo: 332 Analamanga, 28 Vakinankaratra, 15 Vatovavy, 11 Atsinanana, 11 Matsiatra Ambony, 4 Ihorombe, 1 Itasy, 1 Alaotra Mangoro, 1 Boeny, 1 Diana, 1 Sofia. Mahatratra 846 ireo marary mbola manaraka fitsaboana amin’izao fotoana izao, kan y 8 amin’ireo no misy fahasarotana. Tsy nitsaha-niakatra ny tranga vaovao tao anatin’ny enina herinandro raha kely indrindra. Midika izany fa miha goragora ny resaka fitandremana, toy ny hoe: naverina ho 5 isaky ny seza ny mpandeha any azon’ny fiara fitateram-bahoaka entina, tsy mitoetra firy intsony ny fepetra ara-pahasalamana,… Ny vanim-potoana ihany koa anefa miha mangatsiaka kanefa io no tena tian’ity valanaretina. Ny vaksiny etsy andaniny mbola ambany dia ambany ny taham-panaovana izany. Mila mailo sy mitandrina ary miaro tena ny rehetra satria mandady ny trambo.
Toky R
 

Dans la même rubrique