airtel

Covid 19

16-avril-2021

Covid 19

Montsana ny isa ambony indrindra 859 indray voan’ny covid-19 iray andro

Sample post image

Montsana ny isa ambony indrindra amin’ny trangana covid-19 isan’andro eto Madagasikara. Raha manodidina ny 600 teo ny “PIC”

16-avril-2021

 

 

tany amin’ny volana jolay 2020, dia tafiakatra 859 kosa ny tranga vaovao ny andron’ny 14 aprily.  Fitiliana 3284 no nahitana an’ireo 859 ireo, izay manome taham-pahavoazana 26,15%, izay azo lazaina ho mbola ambony be. Sambany no nahavitana fitiliana 3284 izany tao anatin’ny iray andro, saingy nitombo niakatra nanaraka an’izany ihany koa ny isan’ny tranga, izay midika fa tena miparitaka be sy tsy voafehy ny valanaretina.  Teto Analamanga 634 manome 73,81% amin’ny tranga;  Antsinanana 38, Diana 10, Alaotra Mangoro 13, Haute Mastiatra 2, Boeny 2, Vakinankaratra 1, Sava 13, Atsimo Andrefana 30, Vatovavy Fitovinany 14, Menabe 4, Analanjirofo 12, Anosy 17, Ihorombe 1, Itasy 1, Androy 2, ary Sofia 65. Tsy eto Analamanga ihany, fa mampitahotra ny tarehimarika amin’ny faritra maro. Tao anatin’ny 3 andro, ohatra, dia tafiakatra 47 ny tany Alaotra Mangoro 34 ihany koa, Atsimo Andrefana izay tafiakatra 68 be izao, Diana 51,… Nahatratra 7 kosa ny namoy ny ainy nampiakatra ny isan’ny lavo hatramin’izay ho 527, ka Analamanga 2, Sava 1, Atsimo Andrefana 2, Bongolava 1, Sofia 1.

 

HO TRATRA NY ISA 5000

Azo antoka ho tratra anio na rahampitso ny isan’ny olona tsaboina ho 5000 isa satria efa 4781 izany ankehitriny. Tranga misy fahasarotana ny 301 amin’ireo, izay nisy fihenany mitaha ny andro teo alohany 344 isa.

Toky R

 

Dans la même rubrique