airtel

Covid 19

19-mars-2021

Covid 19

Mpandeha tsy manao aro vava orona Tsy mety mitondra azy ireny intsony ny taxibe

Sample post image

Tsy toy ny teo aloha intsony fa tena tsy mitsitsy ary tsy mitondra mpandeha tsy manao aro vava orona ny

19-mars-2021

 

 

 

 ankamaroan’ireo taxibe eto an-drenivohitra sy ny manodidina amin’izao. Avy hatrany dia ny taratasy fahazoan-dalana mamily fiarakodia an’ny mpamily sy ny antontan-taratasin’ny fiara mantsy no alain’ny polisy, raha araka ny fanadihadiana natao raha vantany vao tratra izy ireny. Lasa tsy afaka mampidi-bola hamelomana vady aman-janaka izahay hoy ny mpamily iray noho ny hafitsoky ny mpandeha iray tsy manao aro vava orona noho izany tsy maintsy handraisana fepetra. Raha araka ny fanazavan’izy ireo hatrany moa dia tsy afaka miasa mandritra ny andro maromaro mihitsy ilay taxibe rehefa tratra hany ka matiantoka ihany koa ny tompony. Lasa sarotiny ihany koa izy ireo amin’ny fanajana ilay mpandeha efatra isaky ny laharana izany hoe : tsy mampiasa seza afovoany. Raha vantany vao handalo polisy ny mpamilin’ny taxibe sy ny resevera dia tsy maintsy miantsoantso hatrany ireo mpandeha tsy manao aron-tava tsara sao dia hiteraka fanasaziana ho azy ireo.

Pati

 

Dans la même rubrique