tia tanindrazana

Parution du Mercredi, 20 Octobre 2021

airtel

Covid 19

Mpivarotra Lambamena etsy Anosy Anisan’ireo nanao « service minimum »

Nisy nivarotra ihany ireo mpivarotra lambamena etsy Anosy tamin’ny faran’ny herinandro teo nanatanteraka ilay service minimum.

26-avril-2021

Sample post image

 

 

Raha araka ny fantatra dia ho fitsinjovana ireo olona manam-pahoriana indrindra ireo matin’ny Covid 19 tampoka no antony nanaovan’izy ireo izany fa tsy sanatria ho fanoherana ny lamina napetraky ny Fitondram-panjakana akory. Nalahafo lambamena maromaro ihany izy ireo raha araka ny fantatra. Ny lamba tavoahangy no tena be mpividy izay moramora kokoa satria manomboka amin’ny 10.000 Ar dia efa mahazo raha misy ihany ireo mividy lamba landy. Ho an’ity farany manokana dia manomboka amin’ny 30.000 Ar ny vidiny raha misy mahatratra ana hetsiny kosa ny sasany ho an’ireo karazany tena tsara.

Pati

 

Dans la même rubrique

Voir plus