airtel

Covid 19

07-juin-2021

Covid 19

Naivo Raholdina Resy lahatra tamin’ny vaksiny

Sample post image

Nanao vaksiny tetsy amin’ny Hopitaly HJRA ny Depiote voafidy teny amin’ny Boriborintany faha-5 Atoa Naivo Raholdina mivady ny faran’ny herinandro teo,

07-juin-2021

 

 


 raha ny vaovao sy ny sary niparitaka tamin’ny tambajotran-tserasera. Voalaza fa amin’ny maha mpanao asa soa mitakosona amin’ny vahoaka azy mivady no nanaovany vaksiny fanefitry ny covid-19. Tsara kosa ny mampahatsiahy, fa isan’ireo manam-pahefana nivoy hatrany ny hevitry ny Filoham-pirenena tamin’ny tsy fankasitrahana ny vaksiny Atoa Naivo Raholdina. Tany amin’ny 8 aprily aza, dia lohateny lehibe tamina fampahalalam-baovao iray ny fanehoan-keviny naneho fa tsy mieritreritra ny hanao vaksiny. Nivoy hatrany ny fampiasana ny CVO sy CVO+ ny tenany, ary naneho fa mahatoky izany ho miaro amin’ny valanaretina coronavirus. Matoa niroso tamin’ny vaksiny anefa, dia naman’ny miaiky izany ity olom-boafidy ity, fa tsy mahatoky ny tambavy sy ny fanafody novokarin’ny Fanjakana ho miaro 100% amin’ny valanaretina ka ilaina ny miroso ihany amin’ny vaksiny. Isan’ny nitarika ny vahoaka hiroaroa saina tamin’ny vaksiny ny làlan-tsaina novoizin’ny Fanjakana sy ny mpitondra momba io vaksiny io.

Toky R

Dans la même rubrique