airtel

Covid 19

09-nov-2021

Covid 19

Nakatona ny sekoly lehibe roa Miparitaka indray ny coronavirus ao Morondava

Sample post image

Voatery nakatona ny sekoly St Paul sy ny sekoly teknika ao Morondava, faritra Menabe noho ny fahitana tranga corona virus avy amin'ny fifampikasohana tao amin'ireo sekoly ireo, araka ny fampitam-baovao ofisialy.

09-nov-2021

 Mikatona mandritra ny 15 andro ireo sekoly ireo araka ny fepetra noraisin'ny manam-pahefana tany an-toerana. Efa voamarin'ny talem-paritry ny fahasalamana tao Morondava mantsy ny fisian'ny trangana coronavirus taorian'ny fitilina natao. Voalaza fa efa mandray ny fitsaboana ireo olona voatily ny toeram-pitsaboana any an-toerana ary namafisin'ny tomponandraikitra fa ampy ny fanafody eo am-pelatanana. Tsy nisy kosa ny isa ofisialy, fa raha ny nahoraka ny herinandro lasa teo, dia am-polony dia voalaza fa am-polony ny trangana coronavirus tao Morondava. Nidina tany an-toerana ny polisy avy ao amin'ny FIP (Force d’Intervention Rapide) avy aty Antananarivo hanampy ny polisy any an-toerana hanara-maso ny fanajana ireo hetsika sakana rehetra, anisan'izany ny fanaovana aro-vava orona. Naverina nosokafana ny CRCO (Centre Régional de Commandement Opérationnel) ao Morondava manoloana ny toe-java-misy any an-toerana. Raha zohiana dia tafiditra anaty karazana hamehana indray izany I Morondava. Mila mailo sy mitandrina rehetra, indrindra fa ao anatin’izao fiverenantsika amin’ny fisokafan’ny sisin-tany izao.
Toky R
 

Dans la même rubrique