airtel

Covid 19

31-août-2021

Covid 19

Nambara fa tsy misy covid-19 intsony Hotaperina amin’izay ny hamehana ?

Sample post image

Efa tsy misy trangana covid-19 intsony eto Madagasikara, raha ny nambaran’ny Filoham-pirenena nandritra ny fahatongavany teny Ivato omaly.

31-août-2021

Ny resaka tsy fahafahana manatrika ny lalaon’ny Barean’i Madagasikara sy ny Ekipam-pirenena Béninois no nitenenany an’io, ka nilazany fa tany Toamasina aza afaka nisy mpijery antsasaky ny kianja ny lalaon’ny Barea fony mbola feno covid-19, kanefa izao hoe tsy azo hatrehina, ary ny FMF nanao fangatahana 1500 fotsiny. Manodidina ny 4 na 5 isan’andro eo moa ny trangana covid-19 eto Madagasikara amin’izao fotoana izao. Iny efa nolazain’ny Filoha iny izany fa efa tsy misy covid-19 intsony eto Madagasikara. Ny lojika dia tokony hifandraika amin’io ny fanapahan-kevitry ny Fanjakana momba ny fepetra ara-pahasalamana. Hatreto mantsy, dia mbola ao anatin’ny hamehana isika, mbola mikatona ny sisin-tany,… Andrasana izay fanapahan-kevitry ny Fanjakana, fa raha zohiana ny tenin’ny Filoham-pirenena io, dia ho foana tsy ho ela ny hamehana ara-pahasalamana. Maro rahateo ireo seha-pihariana mbola voasembatsembana amin’izany. Iaraha-mahalala ary tsy takona hafenina ihany koa ny tsy fanajana akory ny fepetra, toy ny momba ireo olona tonga avy any ivelany tokony hihiboka, saingy ny manam-pahefana indray aza no manao tari-bato vilam-bava.
Toky R
 

Dans la même rubrique