airtel

Covid 19

29-avril-2021

Covid 19

Nidangana indray ny antontan’isa 17 matin’ny covid-19 iray andro

Sample post image

Nidangana indray ny isan’ny olona lavon’ny coronavirus. Nahatratra 17 izany ny talata 27 aprily, ka 7 teto Analamanga,

29-avril-2021



 3 Atsimo Andrefana, 2 Boeny, 2 Vakinankaratra, 2 Menabe, ary 1 Diana. Isa sokajiana ho ambony indrindra amin’ny isan’ny lavo iray andro io, raha toa ka tany amin’ny faha-30 martsa sy ny fiandohan’ny aprily no nisy 15 no indray lavo tao anatin’ny andro iray. Niakatra ho 631 ny isan’ny lavo hatramin’izay. Mikasika ny tranga kosa, dia 320 ny vaovao, hita tamin’ny fitiliana 1252 manome taham-pahavoazana 25,55%, izay niakatra mitaha ny teo alohany izay 19,75%. Ny 235 teto Analamanga avokoa, 5 Atsinanana, 10 Diana, 12 Alaotra Mangoro, 2 Matsiatra Ambony, 8 Sava, 17 Atsimo Andrefana, 4 Menabe, 13 Anosy, 3 Ihorombe, 4 Betsiboka, 7 Sofia. Niakatra ho 13 ny faritra nahitana tranga vaovao, raha toa ka 5 monja ny alatsinainy teo, izay tsy nisy afa-tsy 145 ny tranga vaovao, ary 734 monja ny fitiliana vita. Miisa 700 kosa ny sitrana vaovao, ka ny 569 teto Analamanga. Nidina ho 5 803 ireo manaraka fitsaboana, raha toa ka 6200 izany ny 26 aprily. Tranga misy fahasarotana ny 398, izay nidina kely mitaha ny teo alohany nahatratra 409. Na izany aza niampy 23 vaovao izany ireo marary mafy ka nahatonga azy ho mbola 398 na nisy aza ny namoy ny ainy miisa 17. Mampitahotra hatrany ny antontan’isa, izay tokony hahatonga saina hatrany ny isam-batan’olona mba hitandrina.

Toky R

Dans la même rubrique