airtel

Covid 19

07-avril-2021

Covid 19

Nitantara i Bodo Mpihira “Roa andro monja dia potika 40% n’ny avokavoko”

Sample post image

Elaela tsy hita tamin’ny tambajotran-tserasera ny Mpanakanto Bodo, ka nitantara ny antony sy ny nanjo azy izy omaly.

07-avril-2021

 

 

 

 Nambarany fa tratry ny covid-19 izy, ary tena mafy sy nahery vaika. Voan’ny sery ny fiatombohany. Nanao fampisehoana tany Fianarantsoa ny 01 martsa. Roa alina niari-tory rehefa niverina avy any. Tonga teto Antananarivo mbola tsy dia naninona, fa voan’ny sery. Niantso dokotera ary nomena Fervex, Vitamine, Magnésium,… Nasaina nihinana an’ireo aloha ary raha misy fiovana dia miantso ny dokotera. Niantso avy eo ny Minisitera fa hoe: “positif” ity mpanakanto ity satria nisy olona iray voa ihany koa tao amin’izy ireo. Nanaovana fakana singa rahateo izy satria natao “tracing contact” na fanarahana ireo mety ho nifanerasera tamin’ilay olona voa voalohany ny Minisitera. Rehefa nanao “scanner” taorian’ny kohaka indray alina, dia simba 15 hatramin’ny 25% ny havovakoa, ary haingana be ny fahasimbana. Natao avy hatrany ny fitsaboana covid-19, izay nisy fanafody maro. Tsy misy hevitra fa tsy maintsy nampidirina hopitaly, ary nampiasana “oxygène”. Niverina nanao “scanner” fanindroany, ary vao mainka niakatra 40% ny fahasimban’ny avokavoka, hoy I Bodo. Tamin’ny “analyse” ho an’ny rà, dia hita fa nisy soritr’aretina hafa tafiditra. Tena lafo dia lafo ny fanafody. Vao misy tsy azoazo, dia tonga dia mandehana fa indray alina dia efa goaka ny avokavoka, hoy I Bodo.

 TSY TENA MAIMAIMPOANA

Tsy misy maimaimpoana, ary ireo fanafody maimaimpoana, dia vitsy sy voafetra ny isany. Ny antibiotika tsindrona iray, dia 56000Ar kanefa ao anatin’ny 4 andro. Voalaza fa nandany hatrany amin’ny 3 hetsy isan’andro teo ity mpanakanto ity. Ny “oxygène” dia tena hifandrotehana hoe vita ny an’ny iray, dia halaina haingana. Nisaotra ny mpitsabo izay mandray an-tànana ny marary rehetra izy. Tanora, mavitrika, manana fahaiza-manao,… ny mpitsabo sy mpiasan’ny fahasalamana. Aza mieritreritra mihitsy hoe angamba izany sery, ary eritrereto hoe mikohaka indray alina aho, dia simba 15% ny avokavoka sy ny tratra, ary roa andro ny elanelana dia efa miakatra 40% ka tsy tokony hiandriandry, hoy hatrany izy nanamafy. Ny Village Voara ihany amin’izao no maimaimpoana, fa ny ankoatra izay tena sarotsarotra, hoy hatrany i Bodo. Tsy miandry valina PCR, fa vao misy soritr’aretina, dia mandeha avy hatrany ny fitsaboana. Tsy eritreretinao akory dia potika sy loaka ny havokavokao, hoy ity mpanakanto ity nanentana ny rehetra.

Toky R

Dans la même rubrique