airtel

Covid 19

15-avril-2021

Covid 19

Nohamafisina ireo fepetra Mbola tsy mianatra ny mpianatra rehetra

Sample post image

Noraisina nandritra ny Filankevitry ny Minisitra omaly alarobia 14 aprily ireo vaovao tafiditra amin’ny paikadin’ny Fanjakana

15-avril-2021

 

 

 hiadiana amin'ny fihanaky ny valanaretina Covid-19. Nambara, fa hampitomboina ireo CTC mandray marary eto Antananarivo, hisokatra anio ny etsy amin'ny EPP/CEG Manarapenitra Soamandrakizay, ireo hotels/hopitaux miisa 2 etsy Andavamamba dia ny Live Hotel sy Tsanga Tsanga Hotel etsy Analakely. Ny Tsena lehibe isan-kerinandro eto an-drenivohitra dia mitsahatra mba hisorohana ny fifamezivezena be loatra. Ireo tsenam-pokontany kosa dia ireo olona tokony hiantsena hividy ireo sakafo sy filàna andavanandro ihany no tokony hivoaka ny trano sy hakeny an-tsena. Ny razana dia tsy afaka mivoaka ny faritra ho an'ireo faritra 5 mikatona dia Analamanga, Sava, Boeny, Atsinanana, Nosy Be. Mbola mitohy ny fialan-tsasatry ny paska ho an'ny fianarana any amin'ireo sekoly sy ny Oniversite rehetra manerana ny Nosy; ary tsy misy daty mazava hoe rahoviana no miverina mianatra. Io fepetra io momba ny fampianarana io, izay mifanohitra amin’ny fangatahan’ireo mpisehatra amin’ny fampianarana avy amin’ny tsy miankina manodidina ny 600 nanao fanambarana omaly. Nohamafisina hatrany fa tsy andoavam-bola ny fanaovana fitiliana Covid etsy amin'ny HJRA sy etsy amin'ny Village Voara ary maimaim-poana ny fanomezana ny taratasy fanamarihana ny fitiliana. Toy izany koa ny fanaovana scanner mahakasika ny Covid eny amin'îreo manarapenitra rehetra manerana ny Nosy.

 EFA FANOMANAN-TSAINA

 Kazaran’ny efa fanomanan-tsaina amin’ny hambaran’ny Filoha Rajoelina ny sabotsy ho avy izao io. Raha ny siosio mivoaka avy any an-dapa, dia hanamafy kokoa ny fepetra ny Fanjakana. Ny voambolana hoenti-milaza azy no heverina fa amboamboarina, fa raha ny fepetra dia heverina fa tsy hiala lavitra amin’ny fihibohana. Efa nampoizina ny hitohizan’ny fitsaharan’ny fampianarana satria ny sekoly sasany eto an-drenivohitra aza navadika ho CTC. Hisy tantsoroka manokana na “mésure d’accompagnement” ve sa tonga dia mitsahatra maina fotsiny toy ny fitaterana? Ahoana ny momba ny ekôlazy sy ny karaman’ny mpampianatra amin’ny tsy miankina ?

Toky R

Dans la même rubrique