airtel

Covid 19

13-avril-2021

Covid 19

Nosy Kaomoro Tsy ahitana trangana Covid 19 vaovao intsony

Sample post image

0 ny isan’ny tranga vaovao, 0 ny maty. Ireo no fintim-baovao mikasika ny Covid 19 ao amin’ny vondronosy Kaomoro,

13-avril-2021

 

 

 

 araka ny fampitam-baovao nomen’ny minisiteran’ny fahasalamana, ny firaisankina, ny fiahiana sosialy ary fampiroboroboana ny fahasamihafana ao an-toerana ny 11 aprily lasa teo. Miisa 3789 kosa hatreto ny fitambaran’ireo tranga ka ny 151 amin’izany dia avy any ivelany avokoa. 148 ireo maty. 3577 no sitrana. Araky ny fanamarihin’ity minisitera ity hatrany dia hentitra ny fampanarahana ny fepetra ao an-toerana ary asaina hampitombo avo roa heny ny fitandremany mihitsy aza ireo mponina. Botry avy ao an-toerana moa, raha ny nambaran’ny filoham-pirenena Malagasy, Andry Rajoelina, raha tsiahivina, no nitondra ilay karazany vaovao na “variant sud Africain” amin’ity valanaretina ity teto Madagasikara. Ny fantatra aloha dia henjana ny fampanajana ny fepetra tatsy Kaomoro, mety tombony ny maha vitsy an’isa azy ireo mazava ho azy, tahaka ny Maorisianina saingy zava-dehibe amin’ny fiatrehana ady tahaka izao ny fahaiza-mitariika sy mandamina avy amin’ny manampahefana isan-sokajiny , sy ny serasera maharesy lahatra vahoaka indrindra indrindra.

J. Mirija

Dans la même rubrique