airtel

Covid 19

26-avril-2021

Covid 19

Ny fihibohana hafahafa, ny tranga mitombo 1677 voa telo andro, 20 maty, 384 marary mafy

Sample post image

Niavaka tsy toy ny andavanandro ny fiainana teto Analamanga sy ireo faritra 4 hafa nihiboka ny faran’ny herinandro teo.

26-avril-2021

 

 

 

Fihibohana tanteraka rehefa sabotsy sy alahady io, izay samihafa ny endrika nisehoany rehefa tena nodinihina ny zava-nisy teto Antananarivo Renivohitra. Ny ankamaroan’ny tanàna, dia saika mbola be olona nandehandeha ny andron’ny sabotsy teo, indrindra fa ny tapany maraina, toy ny teny Ambohipo, Antohomadinika, Andranomanalina, Namontana, Ivandry, Andohatapenaka,…. Nahatratra 332 ny olona nosamborin’ny mpitandro filaminana ny sabotsy, ka nisy 40 tamin’ireo dia mpivarotra legioma sy mpandeha an-tongotra teny Andohatapenaka, 15 mpivarotra saribao teny Ambohimanarina,… Nidina hatrany anelakelan-trano ny mpitandro filaminana, ary ho an’ny omaly, dia hentitra kokoa. Nisy ny mpampiady akoho, mpilalao tsipy kanetibe,… voasambotra. Fitazonanana amina toeram-pamaizana 48ora no sazy. Saika nangina ny tanàna sasany, toa an’I Besarety, Avaradoha, Ampasampito, Marais Masay, Ankorondrano, Antanimena, Andohan'Analakely, Ambohidahy,… Raha fehezina, dia nisy ny toerana hita ho korana be hatrany, ary tao ny tena nihiboka. Fihibohana hafahafa, tsy tapa-kevitra no tena misy sy miseho. Mbola fanontaniana kidaladala mipetraka ny hoe: mipirina ve ny covid-19 rehefa andavanandro, ary mivoaka rehefa sabotsy sy alahady? Sao mba natao fotsiny hoenty maneho fa nisy zavatra niova sy nataon’ny Fanjakana? Maro ihany koa etsy andaniny no mbola tsy tonga saina fa mamono sy mandrikapaka io. Ny Hopitaly anefa hipoka sy feno, ary manaporofo izany ny fampiasana ny hotely ho hopitaly, tsy maharaka ny mpitsabo,…. 7000 latsaka kely ny olona tsaboina amin’izao.

 20 MATY

20 ny namoy ny ainy vokatry ny coronavirus tao anatin’ny telo andro farany nanomboka ny alakamisy 22 aprily teo, ka teto Analamanga ny 5, Antsinanana 4, Vakinankaratra 2, Ihorombe 2, Atsimo Andrefana 2, Bongolava 1, Sofia 1, Boeny 1, Sava 1, Anosy 1. Tafiakatra 599 ny maty hatramin’izay. Miisa kosa 1677 ny trangana covid-19 tao anatin’ny 3 andro farany, ka 706 ny alakamisy 22 aprily, 487 ny 23 aprily, ary 484 kosa ny 24 aprily. Teto Analamanga avokoa ny Analamanga 1269, Alaotra Mangoro 68, Analanjirofo 39, Amoron'I Mania 36, Atsimo andrefana 35, Vakinankaratra 33, Atsinanana 28, Sofia 27, Anosy 22, Betsiboka 17, Matsiatra ambony 17, Diana 13, Bongolava 12, Androy 11, Itasy 11, Sava 10, Menabe 7, Ihorombe 6, Vatovavy Fitovinany 5, Ihorombe 3, Boeny 1. Ny faritra 21/22 dia efa samy nahitana tranga vaovao avokoa raha ho an’ny telo andro farany, ka Atsimo-Antsinanana sisa no hany tsy nahitana covid-19, raha raisina amin’io. Hatreto, tafiakatra ho 6712 ny olona mbola manaraka fitsaboana, ka marary misy tranga atahorana ny 384 amin’ireo, izay nisy fidinanany kely satria efa nahatra 397 izany ny 22 aprily.

Toky R

Dans la même rubrique