airtel

Covid 19

16-mars-2021

Covid 19

Olona ho any ivelany Tsy manao fitiliana PCR intsony ny HJRA

Sample post image

Nafindra eny amin’ny CHUMET Tsaralalàna ny fandraisana ireo olona hanao « TEST PCR »

16-mars-2021

 

fa handray sidina iraisam-pirenena, hoy ny fampahafantaran’ny Minisiteran’ny fahasalamana omaly. Tsy afaka misahana izany intsony araka izany ny eny anivon’ny Hopitaly Joseph Ravoahangy Andrianavalona (HJRA) Ampefiloha, hoy io Minisitera io izay naneho ny fialantsiny amin’ny fanelingelenana aterak’izany.

LASA BIZINA ?

Takiana ny fitiliana ho an’ireo avy any ivelany na ny ao Nosy be na eto Antananarivo na ho an’ireo nahazo fahazoan-dàlana manokana, na ireo teratany vahiny tsy maintsy hody, na ireo mpianatra na mpiasa hamonjy ny toeranam-pianarany na toeram-piasany any ivelany. Andoavam-bola io, fa tsy maimaimpoana ohatran’ireo ahiana ho voa eto an-toerana. Tsy afa-mivoaka an’I Madagasikara, raha tsy miiba na “négatif” ny valiny. Aty Antananarivo ihany no anaovana ny fitiliana, ka miakatra mialoha aty Antananarivo ireo mpandeha, miantoka ny lany rehetra na hotely na saran-dalana. Misy ny famanarihana, fa tato ho ato dia misy ireo tetiandro ahafahana mandray ireo sidina ireo, dia mividy mialoha ny tapakila ireo mpandeha, ary rehefa mahazo daty andehanana dia manao ilay fitiliana 72ora mialohan'ny handehanana. Noho ny antony tsy miankina amin'ny mpandeha anefa dia misy filazana azon'ireo mpandeha fa foana tampoka ny sidina, na mihemotra, dia voatery manao fitiliana vaovao indray satria tapitra ny fetran'ilay valin'ny fitiliana teo aloha, dia miverina mandoa vola indray, nefa dia lafo dia lafo ny saran'izany fitiliana izany, hoy ny vaovao navoakan’I Patrick Raharimanana omaly. Lasa bizina mihitsy amin'izao ity fanaovana fitiliana coronavirus eto amintsika io, hoy ny fanamarihana.

Toky R

Dans la même rubrique