airtel

Covid 19

15-nov-2021

Covid 19

Olona miditra eto Madagasikara Hentitra ny fanaraha-maso ny fahasalaman’ireo mpandeha

Sample post image

Nidina teny amin'ny Seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato ny sabotsy lasa teo ny Delegasiona avy eo anivon'ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka izay notarihan' nyMinisitra

15-nov-2021

 nijery ny fanarahamaso ny fahasalaman'ireo mpandeha avy any ivelany miditra eto Madagasikara. Hentitra ny fepetra sy ny fandaminana :mandalo fitiliana PCR avokoa ireo mpandeha, aorian’ny fahavitan’ny PCR dia mihiboka avy hatrany, mitohy ny fanarahamaso mandritra ny fihibohana, rehefa voamarina fa miiba ny valim-pitiliana (PCR Négatif) izay vao mahazo alalana mivoaka ny toerana nihibohana. Ny valin'ny fitiliana dia mivoaka ao anatin’ny 48 ora. « Aleo misoroka toy izay mitsabo" hoy ny avy ao amin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ary "Raha malina aza mifehy hazo tokana" ary tena zavadehibe ny fitandroana ny fahasalaman'ny vahoaka Malagasy manoloana ireo aretina mety ateraky ny fivezivezena noho ny fisokafan'ny habakabak' i Madagasikara. Efa niaraha-nahalala ihany fa olona avy any ivelany niditra teny amin’ny serranam-piaramanidina Ivato no nahatonga ny valanaretina Coronavirus teto Madagasikara tamin’ny taona 2020 kay izay no tsy maintsy hitandremana.

RTT


 

Dans la même rubrique