tia tanindrazana

Parution du Vendredi, 20 Mai 2022

airtel

Covid 19

Olona misy soritr’aretin’ny coronavirus Tsy miandry valim-pitiliana fa tonga dia tsaboina

Tsy voatery hanao fitiliana na hiandry valina fitiliana ny marary misy soritr’aretina, fa tonga dia tsaboana avy hatrany amin’ny alalan’ilay paikady antsoina hoe:

29-déc-2021

Sample post image

 “aproche syndromique”, araka ny fanamafisana DGFS (Directeur Général de la Fourniture des Soins) izay misahana ny fampitaovana ara-pahasalamana eo anivon’ny Minisiteran’ny fahasalamana Dr Rado RAZAFIMAHATRATRA. Ahafahan’ireo marary hahazo fitsaboana mialoha mba tsy hivadihany ho misy fahasarotana na “forme grave” io. Nomarihina sy nohamafisina fa maimaimpoana ny fizahana ara-pahasaamlamana, ny fanafody hitsaboana ny coronavirus: Azithromycine, Chloroquine, Vitamine C, Paracetamol, Magné B6, Zinc, CVO. Misy fanafody maimaimpoana ihany koa mipetraka eny amin’ny farmasian’ny hopitaly ho an’ireo “forme grave”. Ireo fanafody tsy miankina mivantana amin’ny coronavirus, mety ilaina kosa dia iantohan’ny marary sy ny fianankaviany. Tsy ny mpitsabo ihany no nomena toromarika, fa ireo mpiasan’ny fahasalamana rehetra amin’ny faritra voakasik’ity paikady ity. Efa nalefa ihany koa ny fanafody. Tsy miova amin’ny efa nampiasaina tamin’ny onjan’ny valanaretina teo aloha ihany koa ny fomba fitsaboana na ny “protocole”.
Toky R
Tahirin-tsary
 

Dans la même rubrique

Voir plus