airtel

Covid 19

27-janv-2021

Covid 19

Oniversiten’ Ankatso Ahiana ho nisy Covid-19 tao amin’ny FLSH

Sample post image

Miroharoha saina tanteraka ny mpianatra sy ny mpandraharaha eo anivon’ny

27-janv-2021

 

 

 

Fakioliten’ny teny aman-tsarotra sy ny siantsa maha olona (FLSH) eo anivon’ny Oniversiten’Antananarivo amin’izao fotoana izao. Voalaza fa misy trangana covid-19, saingy namoaka fanambarana tamin’ny alalan’ny peta-drindrina kosa ny mpitantana eo anivon’ny Fakiolite, fa tsaho miely etsy sy eroa io. Tianay eto amin’ny FLSH ny manambara sy mampahafantatra ny be sy ny maro fa tsy misy trangana valanaretina izany eto amin’ny FLSH, manentana ny rehetra mba tsy handrairan’izany tsaho izany, ary koa mba hanaja antsakany sy andavany ny toromarika sy fepetra napetraky ny Fanjakana hisorohana izany valanaretina covid-19 izany”, hoy ny fanambarana. Loharanom-baovao mari-pototra iray hafa kosa no nilaza fa mpandraharaha iray (PAT) no sempotra sy nitambotsotra tao an-dalan-tsara WC akaiky ny biraon’ny Fikambanan’ny mpianatra (AEFLSH) teo aloha mifanila ny toeram-pivoahana ny alatsinainy teo. Efa voan’ny Covid tamin’ny jona teo izy, ary izao tratra izao indray, hoy io ny fampitam-baovao voaray. Raha ny vaovao farany azo, dia nisy ireo lalam-piofanana nanomboka nampiato ny fampianarana ny alatsinainy, indrindra fa ho an’ny taona voalohany na ny L1. Isan’ny miato ny fampianarana ao amin’ny Mention Etudes Françaises satria nisy mpianatra ahiana ho voa (cas suspects) miisa 5, raha ny vaovao azo. Voalaza fa mikatona mandritra ny 10 andro io làlam-piofanana io ho an’ny mpianatra, fa miasa kosa ny mpandraharaha. Ny herinandro lasa teo dia tsiahivina fa nahatratra 33 ireo mpianatra teny amin’ny toeram-ponenan’izy ireo eny Ankatso no voa, ary 1 kosa tao amin’ny làlam-piofanana “agronomie”. Mila mailo sy mitandrina ny eny amin’ny anjerimanontolon’Antananarivo, izay misy mpianatra manodidina ny 43000 sao sanatria hiparitaka sy tsy ho voafehy ity valanaretina ity.

Toky R

Dans la même rubrique