airtel

Covid 19

21-avril-2021

Covid 19

Orinasa mpitsabo Malagasy FITRAMA Nanasitrana olona maro voan’ny Covid 19

Sample post image

Anisan’ny orinasa Malagasy misehatra amin’ny fitsaboana nentim-paharazana efa ho herin-taona mahery izao ny orinasa mpitsabo Malagasy FITRAMA

21-avril-2021

 

 

 

 tarihin-dRafanomezantsoa Jean Nirina. Hatramin’ny fotoana nampahazo vahana ny valan’aretina Covid 19 teto amintsika dia tsy mitsaha-mitombo ireo olona tonga manatona azy ireo. Ankoatra ireo vao ahitana soritr’aretina dia misy hatramin’ny ‘forme grave’ toy ireo nanaiky niresaka tamin’ny gazety Tia Tanindrazana ireto : Tafs Ramafadrahona : Efa tany amin’ny hopitaly Tafs Ramafadrahona, mpanankato tsy zoviana amintsika no tapa-kevitra ny hanatona ny mpitsabo Malagasy FITRAMA etsy amin’ny 67 ha. Karazam-panafody maro toy ny Shirpa radipa sy Sinda rapida no nampiasainy tamin’izany izay nahafaka azy avy hatrany tao anatin’ny forme grave. 5 minitra monja no nanaovana izany. Toraka izany koa ny fampiasana ny kininim-potsy sy ny ravintsara ary ny huille essentielle. Raha tsiahivina moa dia efa nisy serum tany amin’ny hopitaly i Tafs no tafatsangana soa aman-tsara ary nilaza fa nahavita magie taminy ny FITRAMA. Mino sy manantena izy araka izany fa hivoaka ho mpandresy tsy ho ela ao anatin’ity areti-mandoza ity. Ramatoa Manou : Ramatoa efa fanta-daza amin’ny sary mihetsika Malagasy ihany koa Ramatoa Manou, mpitantana ny Manou Production. Noho ny fahasempoarana nahazo azy no nanatonany ny mpitsabo Malagasy FITRAMA. Tao anatin’ny 5 minitra monja no nikarakarana ny fahasalamany dia niverina tamin’ny laoniny izany. Nambarany tamin’ny rehetra fa tena mahay ny Malagasy ary tsara ny fanafody natoraly izay nisaorany an’Andriamanitra manokana ny fananantsika Malagasy azy. Nisaotra ny Filoha Andrinirina Rajoelina ihany koa izy nandritra izany nanandratra ny maha-Malagasy sy ny soa toavina Malagasy.

Legende: Efa nasiana serum tahaka izao Tafs Ramafadrahona tany amin’ny hopitaly no nanaovana magie tao anatin’ny 5 minitra

 TANANA MATY

Tena efa mahazo vahana tanteraka eto amintsika ny Covid 19 sy ilay Variant avy atsy Afrika Atsimo hoy Rafanomezantsoa Jean Nirina ary tena tsy mitsitsy. Miantso ny isam-pianakaviana mba hanao tanana maty ny Faritra Analamanga araka izany ny tenany manomboka amin’ny zoma amin’ny 09 ora alina ka hatramin’ny Alatsinainy maraina amin’ny 04 ora maraina. Tsy tokony hisy hivoaka ny trano ny rehetra mandritra izany hoy izy. Tokony hanasa tanana amin’ny huille essentielle ny rehetra hoy hatrany izy no sady mievoka kininim-potsy sy ravintsara. Notsiahiviny moa fa na ny tazo mololo ateraky ny fiakaran’ny vary aza izao dia mahafaty. Diso miaina anaty tahotra loatra mantsy ny olona hoy izy ka na ireo efa tokony ho sitrana aza dia lasa lavo tsy fidiny. Miantso ny mpitondra fivavahana, ny mpanao gazety, ny mpiray tanindrazana rehetra araka izany ny tenany mba tsy hifanenjika intsony na hanohy hatrany ny ady lahy politika fa samy hibanjina ny ady hatao amin’ity fahavalo tsy hita maso ity. Notsiahiviny moa fa olona maro no efa sitran’ny FITRAMA tao anatin’ilay fitsaboana 5 minitra toy an’i Menakely mpanao baolina, Tafs Ramafadrahona, Rtoa Manou ao amin’ny Manou Production….

Pati

 

 Efa nasiana serum tahaka izao Tafs Ramafadrahona tany amin’ny hopitaly no nanaovana magie tao anatin’ny 5 minitra

Dans la même rubrique