airtel

Covid 19

30-mars-2021

Covid 19

Paramedy Ralibera “Tena vahaolana tsara ny fihibohana”

Sample post image

Miaina coronavirus roa sosona i Madagasikara ankehitriny, hoy i Ralibera Jerisoa na Paramedy Ralibera,

30-mars-2021

 

 

 Filohan’ny sendikan’ny Paramed, dia ny andiany faharoa izay azo lazaina hoe malefaka sy efa mahazatra, eo kosa ny andiany vaovao amin'ilay “variant” avy atsy Afrika Atsimo izay tena mahery vaika tokoa ary tena mandravarava. Ho an'Antananarivo dia tsy mihoatra ity volana aprily hitsidika ity, dia ho tratra ny “pic” raha heverina fa efa anatiny tanteraka i Mahajanga sy Nosy-Be amin'izao, hoy hatrany ny fanazavan’i Paramedy Ralibera tao amin’ny pejiny facebook. Matetika dia tara, hoy izy, ny fandraisana fanapahan-kevitra na mivaona tsy araka ny tokony hatao. Nahoana no tsy mbola misy didim-panjakana milaza ny hamehana ara-pahasalamana (Lalàna 91-011). Nandroso sosonkevitra i Paramedy Ralibera fa tena vahaolana tsara ny fihibohana fa ny fanatanterahana azy no efa tokony hiadian-kevitra maika. Inona avy no hoenti-manana ny amin'izany fa rehefa misy zavatra hafa toa mahita vola ihany ? Ny fiarovana rehetra iza no miandraikitra azy dia ahoana no tena ahatanterahana azy? Ampy ve ny enti-manana mikasika ny fitsaboana : olona, fitaovana, hopitaly, oksyzena, fanafody,...

Nangonin’i Jean D.

 

Dans la même rubrique