airtel

Covid 19

16-mars-2021

Covid 19

Patrick Raharimanana “Tsy fanapahan-kevitra politika io fa resaka fitsaboana”

Sample post image

“Manomboka mihanaka eto Madagasikara indray ny valanaretina Covid-19, mihafeno ireo hopitaly sy toeram-pitsaboana,

16-mars-2021

 

 


 miakatra hatrany ny isan'ireo namoy ny ainy vokatr'izany aretina izany.
Iarahan'ny rehetra mahalala fa samy mbola mikaroka izay fanefitra tena mahomby ireo manam-pahaizana maneran-tany, anisan'izany isika Malagasy, izay namokatra ny CVO, ny CVO+ amin'ny endriny maromaro. Misy ihany koa ireo vakisiny vokarin'ireo mpanamboatra fanafody isak'ireo firenena. Mbola tsy manana fotoana firy hijerena ny fahombiazan'izany avokoa anefa ny rehetra, fa an-databatra avokoa no hilazana ny fahombiazana. Ny vatan'olombelona samy manana ny azy, ary ny tsirairay dia tompon'andraikitra amin'ny fahasalamany sy ny fahasalaman'ireo manodidina azy. Ilaina arak'izany ny mangarahara amin'itony karazana fanafody na fanefitra vokarina itony, anjaran'ireo mpikaroka no mitondra ny porofon'ny fahombiazana, na ny mety fepetra tsy ahafahana mandray izany fanafody izany”, hoy ny fanehoan-kevitr’Atoa Patrick Raharimanana. Nahitsy izy nilaza fa tsy anjaran'ny politika izany, na an'ny mpitondra no andray fanapahan-kevitra momba ny fanafody ampiasaina na hitsaboana na hiarovana amin'ny aretina, fa anjaran'ny mpisabo. Andraikitry ny mpitondra izany no manao izay hisian'izany fanafody izany raha izay no fanapahan-kevitry ny dokotera. Tsy fanapahan-kevitra politika izany no anomezana CVO na vakisiny na fanafody hafa. Tsy anjaran'ny mpitondra no mibahana ny hidiran'ny vakisiny vokarin'ny firenen-kafa. Andraikitry ny komity miadidy ny fanaraha-maso ireny fanafody miditra eto amintsika ireny sy ny Akademiam-pahasalamana no mijery karazan'olona inona avy no mety amin'ireny fanafody ireny, ka manome ny toro-marika ho an'ireo mpitsabo isan'ambaratonga.

TSY ATAO HAMBOM-PO

Tsy atao hambom-po na singa andrefesana ny fahombiazan'ny mpitondra ny hoe fanafody novakarina teto an-toerana toy ny CVO, ka ampiasaina na tsia, anjaran'ireo mpikaroka Malagasy no manatsara hatrany ny vokatra vita eto an-toerana, hoy hatrany izy... Ny dokotera no avela hisafidy ny fanafody ampiasainy fa atao izay hisian'ireo fanafody sy vakisiny ireo, ary ho mamaim-poana ny fitsaboana na ny fanaovana vakisiny amin'ny ady amin'ny Covid-19, hoy hatrany Atoa Patrick Raharimanana.

Toky R

Dans la même rubrique