airtel

Covid 19

26-mars-2021

Covid 19

Paul Rabary “Vitsy ilay vaksinin’ny Covid 19”

Sample post image

Raha mijery ny raharaham-pirenena ankapobeny eto Madagasikara ankehitriny dia tsy misy afa-tsy ny fijerena io Coronavirus

26-mars-2021

 

 

 

 io no sarotra be satria ohatran’ny maro ny olom-pantatra tanora maty, hoy ny mpahaifiarahamonina, Paul Rabary. Tsy manana fotoana hanaovana fitiliana fa maty tampoka. Misy hifandraisany ve izany? Misy olona marary manome soratr’aretina koa anefa “négatif” ny fitiliana rehefa atao. Tsy mitovy amin’ny aretina isan’andro ny Covid 19 fa haingam-piasa ka ilana ny fitandreman’ny tsirairay. Manentana ny rehetra hiaro tena sy hitsabo tena raha misy, noho izany, izay soratr’aretina izay. Misy karazany 2 ny vakisiny ary efa fomba fanao mahazatra hatramin’izay eo amin’ny fiatrehana na fisorohana valanaretina. Ny ankizy vao teraka ka hatrany amin’ny 15 taona any ho any dia atao izany im-polo, fara fahakeliny. Ny adihevitra anio angamba dia hoe mandaitra ve sa tsia ny vakisinin’ny Coronavirus? Ny olona latsaky ny 70 taona any am-pitan-dranomasina dia mbola tsy atao vaksiny satria vitsy ilay vaksiny. Na te hanao vakisiny aza isika anio dia tsy mbola misy ho an’i Madagasikara. Sahirana isika satria mbola ady sy tolona ny fahitana an’io any am-pitan-dranomasina. Ny 75%n’ny Malagasy moa latsaky ny 50 taona. Vitsy amintsika no mampiseho ilay soratr’aretina tokony hanaovana vakisiny. Mikasika ny tranga fizarana vatsim-pianarana ny 22 martsa teo moa dia tany amin’ny taona 1975 no nizara izany ny oniversite, izany hoe tsy tokony ho olana intsony. Raha olana ny hoe lany volabe amin’io ny fanjakana, hoy ny fanazavany, dia tokony ho foanana io fa atao hanatsarana ny fotodrafitrasa sy hanenana ny fahasahiranan’ny mpianatra toy ny amin’ny resaka “connection”, fa indrindra, tokony tsy asiana intsony ny sara-pisoratan’anaran’ny mpianatra rehefa hianatra ety amin’ny oniversitem-panjakana, hoy hatrany ny tenany.

J. Mirija

 

Dans la même rubrique