airtel

Covid 19

27-août-2021

Covid 19

PM Ntsay nanao vaksiny "Mipetraka ho fitaratry ny vahoaka aho"

Sample post image

Nanatona ny hopitaly Joseph Raseta Befelatanana ny Praiminisitra Lehiben'ny governemanta Atoa Ntsay Christian omaly alakamisy 26 aogositra,

27-août-2021

 natao vaksiny fanefitry ny coronavirus, ao anatin'izao fitohizan'ny ady amin'ny covid-19 izao. Ny « Jenssen » avy amin'ny orinasa mpamokatra fanafody « Johnson & Johnson» no natao taminy. Naneho ny hafaliany tamin'ny fahavitana ny fanefitra ny Praiminisitra ka nambarany fa nanome ohatra ho an'ny vahoaka amin'ny maha-mpitondra azy ny tenany, ary nomarihiny fa tsy an-tery ny fanaovam-baksiny saingy entanin'ny fitondram-panjakàna kosa ho fiarovana sy fitsinjovanan ny vahoaka Malagasy. “Ela no niandrasan’ny vahoaka Malagasy hoe: ny mpitondra no tokony ho fitaratra. Nanao ny tenako, ary rehefa tafiditra tamin’ny mason-tsivana, dia tonga. Tsy ny mpitondra no maika hatao vaksiny fa ny vahoaka aloha. Tsy tokony hipetraka ny adihevitra hoe: momba na manohitra vaksiny ny Fanjakana. Matoa nanome alalana ny vaksiny ny Fanjakana, dia fitsinjovana ny Malagasy”, hoy ny Praiminisitra. Nantitranteriny moa fa nandritra ny fotoana omaly fa ny fahasalaman'ny vahoaka Malagasy manontolo no vaindohan-draharahan'ny Filoham-pirenena tamin'ny fanapahan-kevitra nanafarana izao vaksiny izao fa tsy ny mahakasika an'ireo mpitondra sy mpitantana ankehitriny. Nipetraka ho fitaratra eo imason'ny vahoaka ka naneho ampahibemaso ny fanaovana vaksiny izany ny Praiminisitra, raha toa ka nirona tamin'ny fanoherana mivantana na ankolaka an'io ny Filoha tany am-piandohana, saingy toa nanaiky tsy fidiny ny fampidirana vaksiny taty aoriana. Nivoy hatrany ny CVO sy CVO+, saingy tsy re tsaika firy intsony ny momba an'ireny.
Toky R

 

Dans la même rubrique