airtel

Covid 19

26-févr-2021

Covid 19

Pr Rakotovao Jean Louis “Tsy mbola misy Souche mutante Covid-19 eto Madagasikara”

Sample post image

Notontosaina teny amin'ny Akademia Nasionaly Malagasy Tsimbazaza omaly 25 febroary 2021

26-févr-2021

 

 

 ny Andro fifampizarana momban'ny Covid-19 teo amin'ireo mpiantsehatra tamin'ny vondrona maro toy ny fandraharahana, fahasalamana ary sosialy. Fifanakalozan-kevitra amin'ny fiantraikan'ny valanaretina Covid-19 eo amin'ny lafiny ankapoben'ny fiainam-pirenena no votoatin'ny fifampizarana. Tonga nanotrona sy nifampizara tamin'ireo mpandray anjara tao ny Ministry ny Fahasalamam-bahoaka, Prof. Rakotovao Hanitrala Jean Louis. Nandritra izany no nitondran’ity farany fanazavana mikasika ilay « souche mutante » na endrika vaovaon’ny Covid-19. Nanambarany fa tao aorian’ny fitsirihina izay natao dia voamarina fa « tsy mbola misy eto Madagasikara io « souche mutante » io ». « Tsy natao hampisy ny gaboraraka anefa izany » hoy hatrany ny Minisitra fa vao mainka hanamafisana ny fanarahana ireo fepetra rehetra efa napetraka. Isan’ireo nanampy tamin’ny fahombiazan’ny paik’ady amin’ny ady amin’ny covid-19, ny tolo-kevitra nomen’ireo mpikaroka malagasy avy amin’ny Akademia Nasionaly Malagasy sy ny « Faculté de Médecine de Madagascar ». Ity fifanakalozan-kevitra ity dia hanampy betsaka amin’ny fanamafisana ny paik’ady hiatrehana ny ririnina izay efa tanterahin’ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka. « Vonona hihaino sy handray izay soso-kevitra rehetra ny Ministera » hoy ny Minisitra, Prof. Rakotovao Hanitrala Jean Louis.

Nangonin’i Jean D.

Dans la même rubrique