airtel

Covid 19

28-juin-2021

Covid 19

Praiminisitra Ntsay Christian “Tsy misy ahiana ny vaksiny, ho avy andiany faharoa”

Sample post image

Nambaran’ny Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta omaly 27 jona fa nihena antsasany ny trangana coronavirus, ary nihena 20% eo ihany koa ny maty.

28-juin-2021

Mbola misy distrika ahitana trangana betsaka ihany anefa : Antananarivo, Fianarantsoa, Antananarivo Renivohitra, Atsimondrano, Avaradrano, Ambohidratrimo, Alaotra Mangoro. Mikasika ny vaksiny sy ny Filazan’ny Frantsay fa tsy mbola ankatoavina any Eoropa ny covishield, dia niditra tamin’ny Initiative covid-19, izay eken’ny eran-tany isika, ary izany no nahatonga ireo solontenan’ny firenen-dehibe sy ny iraisam-pirenena…. Tsy tokony hisy hampiahiahy antsika mikasika ny covishield, hoy ny Praiminisitra. 197 001 ny Malagasy natao vaksiny, raha toa ka 250 000 fatra no nafarana. Mipetraka tao anatin’ny drafitra nasionaly ny vaksiny, ka alohan’ny 10 aogositra no tokony ho tonga ny andiany faharoa na “2ème dose”. Mbola miankina amin’ny fandinihan’ny Fanjakana amin’ity 15 andro ity ny fanafarana vaksiny hafa. Manana drafitra hatramin’ny 2023 isika, olona hatrany amin’ny 800 000 any no kendrena ho vita vaksiny amin’ity taona 2021 ity raha ny fanambaran’ny praiminisitra omaly.

Toky R
 

Dans la même rubrique