airtel

Covid 19

14-janv-2021

Covid 19

Prefen’Antananarivo « Miandry izay toromariky ny fanjakana foibe isika »

Sample post image

Resaka ara-pahasalamana io, ka tsy maitsy ny minisiteran’ny fahasalamana no

14-janv-2021

 

 

mitarika sy arahina ny torimarika avy aminy. Ny fahazoan-dàlana dia tsy maintsy manaraka ny fepetra nomen’ny Minisiteran’ny fahasalamana, hoy ny Prefen’Antananarivo Jeneraly Ravelonarivo Angelo Christian omaly. Mihatra avokoa ny fepetra rehetra efa nisy hatrizay. « Ny hetsiky ny FKJKM no nambara ilana fahazoan-dàlana manokana. Tsy marina hatreto ny filazana fa tsy maintsy maka alalana ny fiangonana, fa ny fanazavana nomeko dia ny hoe FJKM hanao hetsika amin’ny alahady, ka tsy maintsy nanao ny fangatahana manokana. Mbola miandry amin’ny toromarika faobe avy amin’ny Fanjakana foibe amin’ny resaka fiangonana. Ho an’ny fampisehoana, dia misy planina homena anay, raha ao anaty efitrano”, hoy ny Prefen’Antananarivo Jeneraly Angelo Christian Ravelonarivo. Efa nisy kosa ireo fahazoan-dàlana manokana nomena nialoha ho an’ny Fiangonana FJKM, izao hanao famoriam-bahoaka eny amin’ny Coliseum ny alahady 17 janoary 2021 hifampiarahaba tratry ny taona. Efa nisy ny fanomanana sy ny fandaniana natao, ka tsy tafiditra aloha ry zareo fa ny aoriana no tafiditra, raha ny fanambaran’ny Prefe. Ho an’ny sekoly rehetra, tsy mbola misy baiko hoe mihidy dia mitohy, fa tsy maintsy manaja ny fepetra.

METY HIATO NY ZOTRA NASIONALY

 Ahena ny olona azo entina ho an’ny zotra nasionaly, tsy maintsy mampihatra ny fepetra toy ny “gel disinfectant” sy “visière”,… ho an’ny taksibe. Tsy maintsy misy baiko avy amin’ny fahefana foibe vao hoe tsy maintsy mijanona ny zotra nasionaly, raha hajanona, fa tsy maintsy haverina iny raha izao fandehany izao, hoy ny Prefen’Antananarivo. Manolona ny hoe hiverenana amin’ny fihibohana, dia tsy ho manontolo, fa mety hiainga amin’ny tranga hoe: raha misy toerana na tanàna ahitana tranga dia ao no ahiboka ny mponina, raha ny loharanom-baovao hafa.

Toky R

Dans la même rubrique