airtel

Covid 19

19-août-2020

Covid 19

Raharaha “écran plat CCO” Tonga ny valin-kafatry ny PNUD

Sample post image

Tonga nanolotra fanampiana ara-pitaovana mivantana hoenti-manamafy ny fametrahana ny filaminana sy ny fandriampahalemana ho an’ny Minisiteran’ny fiarovam-pirenena,

19-août-2020

 

 

 ny Sekretariam-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena, ary ny Antenimieram-pirenena ny PNUD na ny Fandaharan’asan’ny firenena mikambana momba ny fampandrosoana omaly. Fitaovana ara-informatika ireo natolotra, ka ny Tahirin’ny Firenena Mikambana momba ny fanamafisana ny fandriampahalemana (UNPBF) no namatsy ara-bola. Tafiditra ihany koa ao anatin’ny anjara biriky hoentin’ny PNUD Madagascar hametrahana ny filaminana sy ny fanajana ny zon’olombelona. Dingana faharoa eo anivon` ny tohana UNPBF eto Madagasikara izay efa nanomboka ny janoary io, mba hametrahana paikady nasionaly momba ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana, hanamafisana ny fanafainganana ny asa sy ny traikefan` ireo mpitandro filaminana sy ny fanaraha-maso eo anivon` ireo rafitra misahana fiarovam-pirenena sy ny filaminam-bahoaka. Mitentina 11 tapitrisa dolara ny tohana ara-bola natokana avy amin` ny UNPBF amin` ity dingana faharoa ity izay hanatanterahana ireo tetikasa samihafa (IDIRC, ARSSAM, RAES sy AME2), izay hiantoka ny fandriampahalemana eto Madagasikara indrindra any Atsimon` ny nosy, ny fanamafisana ny fitantanana ara-demokratika sy fanohanana ireo andrimpanjakana, ary ny fametrahana ny rafitra misahana ny filaminana.

MIFONO HAFATRA

 Andro vitsy taorian’ilay raharaha “écran plat” nahavoatonontonona ny Minisitry ny atitany sady ny Filohan’ny CCO sy ny vadiny ity fanomezana fitaovana nataon’ny PNUD ity. Nambaran’ny Minisitry ny atitany, fa fanomezana avy amin’ny PNUD ireo fitaovana, izay nisy faktiora nosoniavin’ny Minisitra sy ny vadiny. Toa tsy nisy pitsopitsony tahaka izany ity, fa natolotra mivantana ny fitaovana izay nisy ny sary famantaran’ny PNUD ny fonosana tsirairay. Tsy misy ankiafinafina izany na tsiambaratelom-panjakana na koa hoe vita ny fanomezana vao miteny ny PNUD. Matetika mampandre mialoha izy ary mandefa hafatra amin’ny mpanao gazety amin’ny fanolorana fanomezana. Toa mifono hafatra sy mamaly an-kolaka ny fanazavana nentin’ny Filohan’ny CCO ity fanolorana fanomezana omaly ity.

Marigny A sy Toky R

Dans la même rubrique