airtel

Covid 19

13-sept-2021

Covid 19

Rajoelina tany Antsiranana Tantara sisa ny arovava orona

Sample post image

Heverina fa efa azo atao ny famoriana olona noho ny fahataperan’ny hahamehana ara-pahasalamana eto amin’ny tany sy ny firenena.

13-sept-2021

Mazava ny amin’iny. Somary maha lasa saina sy mampametra-panontaniana nefa etsy an-kilany ny mikasika ny fanentanana ny olompirenena mbola hanaja ny fepetra ara-pahasalamana ao anatin’izany rehetra izany. Araka ny fanambarana nolazaina fa vokatry ny filankevitry ny minisitra nanapahana ity fampiatoana hahamehana ity dia mbola ilaina, ohatra, ny manasa tanana amin’ny rano sy savony, indrindra, ny fitondrana arotava. Hita ho tantara sisa ny arovava orona. Ny tsirairay ve izany sisa no mila mandinika ary tsy mila manome ohatra ny amin’ny tokony hitondrana izany intsony ve ireo mpitondra, toy ny filoham-pirenena sy praiminisitra? Mety ho adihevitra mipetraka raha mahita ny sarin’ny filoham-pirenena 3 mianaka sy ny delegasionina notarihiny ary ny vahoaka tany Antsiranana nandritry ny fitokanana ny lalana mampitohy an’Antsiranana sy Ramena hoe tsy ara-pahasalamana ny manao arotava eo am-piazakazahana saingy niaraha-nahita fa ampahany tamin’ny fitetezana natao ihany izay hazakazaka madinika izay. Nisy fotoana ireo delegasionina no nijanona niresaka tamin’ireo mponina saingy tsy nisy nametaka arotava. Toy izany koa nony nandeha dia an-tongotra tsotra. Vita izany iny aloha ny lalana mirefy 18 km miainga avy eto amin’ny « croisement Y » ka hatreny Ramena izay voalaza ho isan’ireo mitondra amina toerana be mpizahatany toy ny eny amin’ny“Mer d’émeraude”, ny Baie de Sakalava, ny Baie des dunes saingy hanao ahoana indray izany ny mety ho fiantraikan’iny hetsika iny amin’ny fahasalaman’ireo mponina any an-toerana? Irariana mba tsy hisy haninona.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique