airtel

Covid 19

09-août-2021

Covid 19

Resy ny covid-19 andiany faharoa Foana ny “couvre feu”, hisy sidina 4 avy any Paris

Sample post image

“Hita fa efa resintsika ny covid-19 andiany faharoa. Nanahy isika hoe ho sanatrian’ny vava ho toy ny tany Inde. Na nisy aza ny lavo,

09-août-2021

 raha ny isa no jerena 5 fotsiny ny tranga vaovao omaly 8 aogositra, hoy ny Filoha Rajoelina. Mba ahafaha-miaro ny vahoaka Malagasy manontolo, rehefa nampiantso ny andrim-panjakana telo, dia mbola nanamafy izy ireo fa mbola mitoetra hatrany ny hamehana. Miverina tanteraka amin’ny fiainana andavanandro na izany aza. Foana ary tsy misy intsony ny “couvre-feu” na ny tsy fahafahana mivezivezy amin’ny alina. Mbola mila mitandrina tsara anefa ny eo anivon’ny fiarahamonina. Herinandro maro no tsy nisy ny fihibohana, saingy tokony hotohizana ny fanaovan’ny rehetra arovava. Tsy maintsy hajaina hatrany ny fepetra ara-pahasalamana sy ara-pidiovana. Afaka manao fampisehoana ankalamanjana amin’izay ny mpanakanto manerana ny Nosy, mila fialamboly ny Malagasy. Mbola voarara ny famoriam-bahoaka mihoatra ny 400 amin’ny efitrano mihiboka. Mikasika ny sisin-tany, firenena 135 no efa misy ilay Variant Delta, anisan’ireo vitsy tsy mbola misy isika. Mila mitandrina, aleo miara-miaina samy isika, ary lafo vidy lavitra ny vidiny ara-toekarena raha sanatria miditra amin’ny fihibohana, hoy I Andry Rajoelina. Re ny fitarainan’ny Malagasy any ivelany, efa nanome ihany isika ny “cas impéreux”. Hanisy sidina fampodiana ireo teratany Malagasy tavela any ivelany miisa 4, miala any Paris tonga eto Antananarivo. Alahady 22 aogositra, sabotsy 28 aogositra, ary ny 12-19 septambra. Ho hentitra ny fanaraha-maso, tsy maintsy manao fitiliana PCR avokoa, tsy maintsy manao fihibohana, ary ho an’ireo izay tsy manana fahefana dia afaka makany amin’ny CNaPS ary ny ambiny any amin’ny Hotely. Tsy ekena ny fanararaotana hoe mandoa vola dia afaka mody. Sidina manokana Paris-Antananarivo ihany, ary olona tsy maintsy manana pasipaoro, adiresy eto Madagasikara, taratasy . Tsy mety raha olona hiala sasatra, tsy afaka miala eto mandra-pivohan’ny sisin-tany na manana pasipaoro Frantsay aza. Tsy misy olona tokony handoa vola hafa afatsy ny tapakilan’ny fiaramanidina, hoy I Andry Rajoelina.
Toky R
 

Dans la même rubrique