airtel

Covid 19

06-juil-2021

Covid 19

Roland Ratsiraka « Misy mpitondra vita vaksiny Jhonson & Jhonson eto »

Sample post image

Mampalahelo, hoy ny depiote voafidy tao Toamasina I, Roland Ratsiraka, fa mitoetra ny ahiahy hoe vita vaksiny Jhonson & Jhonson ny mpitondra fanjakana sasany sy ny akaikin’ny fitondrana ,

06-juil-2021

 

 ary ny toeram-pitsaboana tsy miankina polyclinique Ilafy irery ihany no manana fahazoan-dalana amin’ny fanafarana io vaksiny io sy nanindrona an’io. 300 mahery ny « attestation de vaccination » nomen’io toeram-pitsaboana io raha ny reko, hoy i Roland Ratsiraka. Fantatra fa ity vaksiny ity dia manan-kery any Eoropa kanefa ny malagasy dia nomena « Covishield » izay tsy eken’i Eoropa. Ny governementa dia mila manome fanazavana haingana ary tokony manome alalana amin’ny fanafarana vaksiny malalaka, hoy hatrany izy.Misy tsinona ireo tsy miankina vonona ny hividy sy hanafatra vaksiny hafa, mba hahamaro kokoa ny safidy ho an’ireo olona te hanao vaksiny.
Legende 1: Ity ilay taratasim-baksiny niparitaka omaly
MILA MANGARAHARA
Isan’ny mampametra-panontaniana etsy ankilany ny hoe tsy lany ny Covishield fa nopotehana. Inona tokoa moa izany no antony tsy nanaovan’ny manam-pahefana azy iny? Tany am-boalohany izay manampahefana nanontaniana hoe hanao vaksiny ianao sa tsia dia namaly hoe : mbola tsy tafiditra ao amin'ilay sokajy tokony hanao izahay fa aleo handeha aloha ny marefo sy mpitandro filaminana ary mpiasan’ny fahasalamana. Nosokafana ho an’ny rehetra, araka ny fanapahan-kevitry ny fanjakana ihany anefa izany avy eo, ka nahoana no tsy nanao izy ireo ? Tsaroana etoana ilay nambaran’ny filoham-pirenena teo aloha, Marc Ravalomanana tamin’ny fotoana nanaovana vaksiny azy teny Andraharo hoe : olona matahotra ny ho faty ireo, efa nanao vaksiny ireo. Rariny sy hitsiny manoloana ity fanambaran’ny depiote Roland Ratsiraka ity raha milaza ny heviny ny fitondram-panjakana ary milaza ny tena zava-misy marina : iza avy ny mpitondra fanjakana nanao vaksiny ? Inona ilay vaksiny ary taiza no nanaovany azy ? Ny hitan’ny mason’ny mpanara-baovao aloha dia mpikambana 2 ao amin’ny governemanta , ny minisitry ny fahasalamana sy ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena no nanao ny vaksiny Covishield.Ny ankoatran’izay tsy fantatra mazava hoe ahoana.

Misy olona maromaro fantatro sy ny olona akaiky azy ireo efa vita ny vaksiny Jhonson & Jhonson, hoy Roland Ratsiraka saingy nangataka ny tsy hanononana ny anarany izy ireo.

J. Mirija

Dans la même rubrique