anisan'izany ireo namana mpiara-miasa miisa 3 any amin’ny Oniversiten'i Mahajanga sy 3 any amin’ny Oniversiten'i Toliara ary zanaka mpampianatra mpikaroka 1 eto Antananarivo, hoy omaly ny avy eo anivon’ny sendikan’ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra eto Antananarivo dia maneho ny fiaraha-miory amin’ny fianakaviana manontolo no sady mitondra ny teny fankaherezana ary mirary fahasitranana haingana ho an'ireo eo an-dalam-pitsaboana. Manao antso avo ho an'ny tompon'andraikitra isan'ambaratongany, tsy misy an-kanavaka, mba handray andraikitra sy fepetra haingana dia haingana fa tsy hiandry faty mikararana vao mody handray andraikitra. Miantso ny vahoaka malagasy rehetra mba samy tsy hiraviravy tanana ka ho hentitra eo amin’ny fanatanterahana am-pahendrena ireo fepetra sakana rehetra toy ny fanaovana arovava sy orona, fanajana ny elanelana, fanasana tanana matetika amin’ny savony na “gel désinfectant”, fanatonana mpitsabo avy hatrany raha misy ahiahiana. Koa alao hery ary fa tsy voavidy vola no sady manan-kasina loatra ny aina sy ny fahasalamana, hoy hatrany ny Seces Tana.
J. Mirija