airtel

Covid 19

08-janv-2021

Covid 19

Tale tamina ministera matin’ny Covid-19 Karohina ireo rehetra nifampikasoka taminy

Sample post image

Nisokatra nanomboka ny alarobia teo ny fikarohana sy fitadiavana ireo olona

08-janv-2021

 

 

 

 

 

mety ho nifanerasera sy nifampikasoka tamin’ilay Tale ara-pitantanana sy ara-bolan’ny Minisiteran’ny mponina nodimandry, izay voamarina fa tratry ny covid-19, hoy ny fampahalalam-baovao iray omaly. Nanao fetin’ny noely tany Fenoarivo Antsinanana ny tenany niaraka tamin’ny fianankaviany nialohan’ny naharariany, ary nentina namonjy tanàn-dehibe, saingy tsy tana ny ainy ny 4 janoary teo. Mandeha noho izany ny “opération coup de poing” any Fenoarivo Antsinanana. Olona maro no voalaza fa niserasera taminy tany, ary nisy fety nahavory olona an-jatony mahery natrehany. Natao famendrahana kosa ny toeram-piasan’ny Ministeran’ny mponina etsy Ambohijatovo, ary andrasana ny valin’ny fitiliana an’ireo mpiara-miasa akaiky, mpiasa nifanerasera tamin’ity tompon’andraikitra nodimandry ity tetsy Ambohijatovo. Toa somary nokobokobonina io toe-javatra niseho tao amin’ny Ministeran’ny mponina io, ary tsy nisy ny tena famoaham-baovao ofisialy nataon’ity departemantam-panjakana ity. Efa notaterintsika teto ny 05 janoary ny fisiana ministera iray izay voatery nofendrehana ranom-panafody niainga tany amin’ny farany ambany hatrany amin’ny rihana fahafito, araka ny loharanom-baovao tsy ofisialy tamin’io fotoana io, izay tsy taiza fa tao amin’ny Ministeran’ny mponina etsy Ambohijatovo. Ny somary nampametra-panontaniana dia ny hoe: nahoana no toa somary nokobonina na nafenina kanefa resaka aretina sy valanaretina izay zava-doza tokony hotandremana sy hampitandremana hatrany ny besinimaro ?

Toky R

 

Dans la même rubrique